Raharaham-pirenena

  • Nohamafisina ny fitandroana ny filaminana eto Toamasina

    🔲Nahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana teto Toamasina ary isan’ny tranga manamarina izany iny tsatok’antsy nahafaty tovolahy teny Ambolomadinika iny.
    Teo anatrehan’izany dia nivory maika – tao amin’ny Lapan’ny Faritra Atsinanana ny tompon’andraikitra isan-tokony izay 𝘁𝗮𝗿𝗶𝗵𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗣𝗿é𝗳𝗲𝘁 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮, 𝗻𝘆 𝗚𝗼𝘃𝗲𝗿𝗻𝗼𝗿𝗮 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗽𝗶𝘀𝗼𝗹𝗼 𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮, 𝗻𝘆 𝗕𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗻à𝗻𝗮𝗻’𝗶 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮, 𝗻𝘆 lehiben’ny 𝗠𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 telo tonta , ka tapaka tamin’izany fa hohamafisina ny fepetra rehetra hamerenana ny fandriam-pahalemana.

    🔲Tsy niandry ela fa avy dia nandray ny fandaminana ny mpitandro filaminana ka hisy ny angaredona andraisan’ny mpitandro filaminana telo tonta ( Zandary , Polisy , Miaramila ) anjara ka hizara amin’ny sektera samihafa izy ireo hamerina ny fandriam-pahalemana.
    Isan’ny toromarika tapaka tamin’izany fa mihidy ireo toeram-pisotroana rehetra tsy anavahana manomboka aminy 10 ora alina.

    🔵Rehefa mivoka ny trano ka mandeha alina ento ny Karampanondrom-pirenena (CIN) fa hisy fisavana ho atao.
    🔵Eny amin’ny lalam-pasika rehetra eny dia hisy mpitandro ny filaminana

    🔵Efa nisy ny famoriana sefom-pokontany, ka anaovana recensement Ireo izay mifindra monina sy ireo izay tena misoratra amin’ny fokontany mba ahitana ireo mialokaloka eny anivon’ny fiaraha-monina.
    🔵Manentana ny vahoaka eny ifotony ihany koa hanome vaovao

  • Filoha Andry RAJOELINA teny Anosizato :  » Nahitana fihenana ny isan’ny traboina noho ny fiomanana mialoha « 

    Tonga nijery ifotony ireo traboina noho ny rotsak’orana nifanesy teto Antananarivo – tetsy Anosizato Andrefana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nitondra fanampiana sy fanohanana ireo traboina ny tenany nandritra izany.

    Nanazava izy fa noho ny fiomanana mialoha nataon’ny APIPA, ny BNGRC , ny CUA ,ny Fikambanana sy mpiara-miombon’antoka maro dia nahitana fihenana ny isan’ny traboina raha oharina amin’ny isan-taona.
     » Fa tamin’ity taona ity dia hita sy tsapa ny ezaka izay nataon’ny fikambanana, na ny tomponandraikitra tsirairay avy, ao ny BNGRC, ny mpitandro ny filaminana, ny APIPA, ny ministeran’ny Fanajariana ny Tany, ny ben’ny tanàna Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Nanao ny fiomanana mialoha isika, dia nihena ireo tra-doza izay tokony ho maro sy ho betsaka noho izao.  » , hoy ny Filoha Andry RAJOELINA.

    Nanaovany antso manokana ny APIPA mba hanamafy ny fanenjehana ireo mpanao fanotofana tany tsy ara-dalàna.
    « Mila jerevanareo tsara ny fanorenana tsy manaraka ny lalàna, fa indrindra indrindra ny fanotofana tany, izay miteraka todran-drano ka mahavoa ny hafa. Ka mila jerevana akaiky izany, Madame le Maire, sy ny tomponandraikitra isan-tokony, satria ireny canal ireny, misy madonto, misy manototra, ka tsy ahafahan’ny rano mikoriana araka ny tokony ho izy » , hoy ny Filoha.

    Tokony hatao béton mihitsy aza ireny lakan-drano ireny hoy ny Filoham-pirenena : « Isa-taona tokoa mantsy isika dia miatrika foana an’izao fiakaran’ny rano sy todran-drano izao. Antony mahatonga izany dia : Vao tsentsina ireny canal andehanan’ny rano ireny dia miakatra ny rano . Tokony hatao beton, hataontsika beton iray manontolo mihitsy ny canal, mba hisosa ny rano »

    Nisaoran’ny Filoham-pirenena manokana ireo tompon’andraikitra ireo noho ny ezaka sy fifanohanana nataon’izy ireo.  » Isaorana manokana ianareo, tohizo hatrany ny ezaka « , hoy hatrany ny Filoha.

  • Filoha Andry RAJOELINA : Nandefa iraka manokana nitondra fanampiana ireo traboina teny Anosizato Andrefana

    Manoloana ny fisian’ny traboina noho ny fiakaran’ny rano eto Antananarivo dia nandray andraikitra ny Fiadidiana ny Repoblika amin’ny alalan’ny Direction des Affaires Sociales na Das. Nisy araka izany ny iraka manokana avy amin’ny Filoha Andry RAJOELINA nizara fanampiana ho an’ireo traboina etsy Anosizato Andrefana.

    Araka izany, ny alin’ny faha – 17 Febroary 2025 dia nidina mivantana teny Anosizato Andrefana nijery ireo traboina noho ny fiakaran’ny rano ny iraky ny filoha Andry RAJOELINA tamin’ny alalan’ny DAS na ny fitaleavana misahana ny raharaha sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nisy ny fizaraa sakafao mafana ho an’ireo traboina miisa 1.348 ao an-toerana.

    Fandraisana an-tanana feno no atao amin’ireto traboina ao Anosizato Andrefana ireo. Hiantohana avokoa na ny toerana honenana, na ny sakafo, na ny fitsaboana raha sendra misy ny marary sy ny maro hafa. Mifandrimbona sy mifanome tanana amin’izany ny fitondram-panjakana iray manontolo, nahetsika avokoa ny ratsa-mangaika rehetra ka anisan’izany ny fitaleavana misahana ny raharaha sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika izay midina mivantana aty an-toerana.

    1.348 ireo traboina ao anatin’ Anosizato Andrefana raisina an-tanana amin’izao fotoana izao, ka anisan’izany ny ao amin’ny villa Lily. Ireo traboina ireo izay tena ao anaty fahasahiranana tanteraka ankehitriny satria maro no simba tanteraka sy lasan’ny rano ny fananany.

    Tsy fanampiana mandalo no atao amin’ireto traboina ireto araky ny toromarika nomen’ny filoha Andry RAJOELINA. Tohizana ny fandraisana an-tanana mandra-piverin’ny fiainan’izy ireo amin’ny laoniny. Ka ireo tomponandraikitra eny ifotony toy ny ben’ny tanàna no misahana izany. Miara-miasa hatrany amin’ireo eny anivon’ny ministera isan-tokony anefa.

    Ankoatra ny eto amin’ny Villa Lily, mitovy avokoa ny fandraisana an-tanana ireo traboina amin’ireo site d’hebergement miisa 5 napetraky ny fitondram-panjakana.

  • Fahabetsahan’ny rotsakorana sy fiakaran’ny rano : Foana ny fampitandremana miloko mena

    Foana ny filazana loza mitatao na ny fampitandremana miloko mena amin’ny fiakaran’ny rano, araka ny tatitra sy ny vaovao ofisialy nivoaka androany tamin’ny 07 Ora maraina. Niova ho fampitandremana miloko mavo na loza manambana izany. « Efa nidina ny haavon’ny rano » , hoy ny fanambarana Ofisialy avy eny anivon’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany – tamin’ny alalan’ny Apipa.
    Nizara izany koa avy eo ny BNGRC.

    Ireto avy ireo kaominina eto Antananarivo sy ny manodidina , voakasik’izay fampitandremana miloko mavo amin’ny fiakaran’ny rano, amin’ny lemak’Antananarivo lalovan’ny reniranon’i Sisaony izay: Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana , Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana ary Ampangabe.

    Na dia tsy hisy aza ny fiforonana rivo-doza mety hahakasika an’i Madagasikara mandritry ity herinandro ity, dia hitohy hatrany ny oram-pahavaratra saika manerana ny Nosy ankoatry ny any amin’ny morontsiraka Avaratra Andrefana, Atsimo Andrefana ary Atsimo izay tombanana handrahona mitsitokotoko, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro na ny Météo.

  • Fake news  » ilay taratasy miparitaka milaza fa naaato ny fanendrena #PDS ao Antsiranana.

    🔲 »Fake news  » ilay taratasy miparitaka milaza fa nahaton’ny minisiteran’ ny Fitsinjaram-pahefana ny fanendrena #PDS ao Antsiranana.

    Nanao fanambarana ny MFFT na ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy Fanajariana fa vaovao sandoka sy hosoka  » fake news  » iny taratasy miparitaka milaza fa nahaton’ny minisiteran’ ny Fitsinjaram-pahefana sy Fanajariana ny tany ny fanendrena PDS ao Antsiranana.

    Nametraka fitoriana ary andeha ny fanenjehana an’izay loharano nipoiran’iny. Enjehan’ny lalàna ny fanaovana fisandohana sy fampiasana hosoka ny Sonia, fitombo-kase ary sary famantarana (logo) ny taratasim-panjakana na ao anaty tambazotra sosialy aza.

  • Fanolorana Masomboly sy zezika tao Tanambe : Nanotrona izany koa ny Gouverneur par intérim Région Atsinanana Andry Rakotovao

    👉Isan’ireo manampahefana nanotrona sy nanome haja ny lanonana fanolorana Masomboly sy zezika ho an’ny Tantsaha , andiany voalohany – notanterahana tao Tanambe , omaly ny Governora Mpisolo toerana Faritra Atsinanana – #Andry_RAKOTOVAO

    Mahavelom-bolo ny fanohanan’ny fitondram-panjakana tarihan’ny Filoha Andry Rajoelina ny tantsaha tahaka izao , ka azo antoka toko ny hahatraratsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

  • Autoroute Tana – Toamasina : Hisy ny asa maika hanarenana an’ireo tanimbary vitsivitsy tototry ny atsanga

    Noho ny orambe nisesy ireny dia nokaohin’ny riaka ny ampahany kely amin’ny lalana – misy ny fanorenana eny amin’ny Tetikasa Autoroute Tana- Toamasina. Nivarina tany amina tanimbary vitsivitsy manamorona ny tetikasa izany.
    Hisy avy hatrany ny famerenana amin’ny laoniny ny fahavoazana nisy….

    Marihana fa ireo fanotofana izay tsy mbola nahatratra ny haavon’ny fanotofana araka ny tokony ho izy na « ligne rouge » no voakasiky ny fahasimbana.
    Tsy misy fiantraikany amin’ny vatabe (corps) n’ilay lalambe kosa anefa ny fihotsahana nisy.

    Toe-javatra mahazatra amin’ny asa fanorenana goavana tahaka izao moa ny tranga misy.
    Mba hisorohana ny olana tahaka izao amin’ny fotodrafitrasa dia napetraka ny fanitarana 1 ka hatramin’ny 2 metatra amin’ny sisin-dalana, mba hahazoana antoka fa tsy hihena ny sakan’ny lalana rehefa vita tanteraka ny asa.

    Tsara ny manamarika fa tsy misy fiatraikany amin’ny tetibola natokana ho an’ny tetikasa io olana io.
    Efa tafiditra ao amin’ny fifanarahana amin’ny orinasa mpanatanteraka ny asa ny fanarenana ny toerana voakasika.
    Andraikitry ny orinasa ary tsy hiantraika amin’ny tetibolam-panjakana izany fanarenana izany.

    Fepetra raisina ho an’ireo tantsaha voakasika…

    Fantatra ihany koa fa ny drafi-pitantana ara tontolo iainana sy ara-tsosialy na PGES dia mandidy ny orinasa mpanatanteraka ny asa hanao ny famerenana amin’ny laoniny na « remise en état » an’ireo tanimbary tototry ny atsanga na riaka ireo.

    Efa napetraka ny fepetra rehetra hanatanterahana izany haingana, ary manara-maso izany akaiky ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.
    Anisan’ireo fomba ahafahan’ny orinasa manatanteraka izany ohatra ny fanalana ireo atsanga amin’ny asa tanamaro.

    Fehiny :
    Ity olana ity dia fahasarotana mandritra ny fananganana fotsiny. Rehefa vita amin’ny antsakany sy andavany ny asa dia ho mafy orina sy azo antoka tsara ny lalam-be na autoroute.

  • Naina ANDRIANTSITOHAINA :  » Ampy izay ny adilahy politika… »


    Antananarivo 24 janoary 2024 – Sady nitsodrano ny ben’ny tanàna vaovao Harilala RAMANANTSOA no nandefa hafatra ho an’ny mpanao politika ny minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fitsinjaram-pahefana Naina ANDRIANTSITOHAINA. Ampy izay ny korotanana politika, hoy izy. Ndao isika hiasa sy hampandroso ao anatin’ny fitoniana. Ny vahoaka efa te hiaina ny fampandrosoana sy hifantoka amin’ny fiainany andavanandro…


    Isan’ireo nandray fitenenana nandritra ny lanonana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ho ben’ny tanàna an-dramatoa Harilala RAMANANTSOA – nanditra ny lanonana manetriketrika tetsy Analakely , androany maraina , ny minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fitsinjaram-pahefana Naina ANDRIANTSITOHAINA. Na dia nisy aza ny dingana natao, ny asa maro efa natao teto amin’ny Tanan’Antananarivo Renivohitra dia mbola maro ny asa miandry. Mitaky fahavononana sy finiavana izany. Tsy mora ny asa miandry ary tsy asa mora ny manatsara ny tanàna. Mino anefa izahay fa ho vitanao izany satria anananao ny fahavonona sy ny finiavana , hoy ny minisitra Naina ANDRIANTSITOHAINA – tamin’ny Ben’ny tanàna vaovao.


    Tetsy ankilan’izay dia mafonja ny hafatra niantefa ho an’ny mpanao politika . Tsy fotoanan’ny Korontana intsony izao ary aoka izay ny fifandrifiana sy ny adilahy politika.  » Efa ampy izay ny korontana politika. Ny vahoaka dia maniry hifantoka amin’ny fiainana sy ny asany andavanandro. Tonga izao ny fotoana, hahafahantsika hiara-hiasa anatin’ny fahatoniana » , hoy hatrany ny minisitra Naina ANDRIANTSITOHAINA.
    Nofaranany tamin’ny tsodrano izany kabariny izany : « Maniry ny hahombiazanao izahay , satria ny fahombiazanao dia fahombiazatsika rehetra eto an’ny tanàna ».

  • Fidinan’ny vidin-tsolika : EFA MIOMANA AMIN’NY FANITSIANA NY SARAN-DALANA IREO MPITATITRA

    Nisy ny fanambarana miaraka nataon’ireo Mpitantana Tobim-piantsonana (Gare routière) zotra rezionaly sy nasionaly, miankina sy tsy miankina (privé) amin’ny Fanjakana ary ny Mpitatitra, androany, 23 Janoary 2025 tetsy amin’ny Minisiteran’ny Fitanterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.

    Fanambarana milaza fa :  » HISY NY FANITSIANA NY SARAN-DALANA » amin’ny zotra nasionaly sy zotra rezionaly  » MANOLOANA NY FAMPIHARANA NY FIOVAOVAN’NY VIDIN-TSOLIKA » na ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy. » Manoloana ny fampiharana ny fiovaovan’ny vidin-tsolika dia nikaon-doha, izahay Mpiandraikitra Tobim-piantsonana zotra rezionaly sy nasionaly, miankina sy tsy miankina (privé) amin’ny Fanjakana ary ny Mpitatitra, fa :HISY NY FANITSIANA NY SARAN-DALANA. Araka izao manaraka izao dia : taorian’ny fampidinana ny vidin-tsolika dia hisy ny FAMPIDINANA NY SARAN-DALANA MANOMBOKA AMIN’NY HERINANDRO HO AVY IO.

    Ny andinindinin’izany saran-dalana izany dia ho hitantsika isaky ny tobim-piantsonana.  » MANOMBOKA IZAO DIA HISY FIOVANA NY SARAN-DALANA HAMPIHARINA ARAKARAKY NY VIDIN-TSOLIKA MIHATRA ETO MADAGASIKARA » , hoy ny fanazavana nentin’ny Filohan’ny KMMTF Fasan’ny Karana – Andriamatoa Randriamparany MartinTsara ny manamarika fa misy zotra (ligne) miisa 103 ny zotra nasionaly manerana an’i Madagasikara ary zotra miisa 324 kosa ny zotra rezionaly.

    Taorian’ny fanambarana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina momba ny fidinan’ny vidin-tsolika sy ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy (vérité de prix) izany dia ny Mpitatitra sy ny Mpitantana Tobim-piantsonana no nandray fepetra mifanaraka amin’izany.

  • Fidinan’ny vidin-tsolika : EFA MIOMANA AMIN’NY FANITSIANA NY SARAN-DALANA IREO MPITATITRA

    Nisy ny fanambarana miaraka nataon’ireo Mpitantana Tobim-piantsonana (Gare routière) zotra rezionaly sy nasionaly, miankina sy tsy miankina (privé) amin’ny Fanjakana ary ny Mpitatitra, androany, 23 Janoary 2025 tetsy amin’ny Minisiteran’ny Fitanterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.

    Fanambarana milaza fa :  » HISY NY FANITSIANA NY SARAN-DALANA » amin’ny zotra nasionaly sy zotra rezionaly  » MANOLOANA NY FAMPIHARANA NY FIOVAOVAN’NY VIDIN-TSOLIKA » na ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy. » Manoloana ny fampiharana ny fiovaovan’ny vidin-tsolika dia nikaon-doha, izahay Mpiandraikitra Tobim-piantsonana zotra rezionaly sy nasionaly, miankina sy tsy miankina (privé) amin’ny Fanjakana ary ny Mpitatitra, fa :HISY NY FANITSIANA NY SARAN-DALANA.

    Araka izao manaraka izao dia : taorian’ny fampidinana ny vidin-tsolika dia hisy ny FAMPIDINANA NY SARAN-DALANA MANOMBOKA AMIN’NY HERINANDRO HO AVY IO.

    Ny andinindinin’izany saran-dalana izany dia ho hitantsika isaky ny tobim-piantsonana.  » MANOMBOKA IZAO DIA HISY FIOVANA NY SARAN-DALANA HAMPIHARINA ARAKARAKY NY VIDIN-TSOLIKA MIHATRA ETO MADAGASIKARA » , hoy ny fanazavana nentin’ny Filohan’ny KMMTF Fasan’ny Karana – Andriamatoa Randriamparany MartinTsara ny manamarika fa misy zotra (ligne) miisa 103 ny zotra nasionaly manerana an’i Madagasikara ary zotra miisa 324 kosa ny zotra rezionaly.

    Taorian’ny fanambarana nataon’ny Filoha Rajoelina momba ny fidinan’ny vidin-tsolika sy ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy (vérité de prix) izany dia ny Mpitatitra sy ny Mpitantana Tobim-piantsonana no nandray fepetra mifanaraka amin’izany.

  • Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahan-tena : Ny « journaliste d’investigation » Randrianarisoa Riana Raymonde no voatendry talen’ny Serasera

    🔵Nahazo tale vaovao hisahana ny Serasera ny eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena. Tsy iza izany fa Randrianarisoa Riana Raymonde – Mpanao gazety Mpanao fanadihadiana lalina na « journaliste d’investigation ».

    🔵Vonona hitondra ny traikefako entina hampandrosoana izany ministera izany aho, hoy izy.
    Ny fahitsiana sy ny fitiavana ny fahamarinana no hevitra mitondra entiko manantanteraka izany asa izany, hoy Randrianarisoa Riana Raymonde.  » Eto koa aho dia misaotra ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena MARSON MOUSTAPHA Abdulah nametraka ny fahatokisany tamiko  » , hoy izy namarana ny fanazavany.

  • Lalana eto Antananarivo : Vita ny fanamboarana teo amin’ny Rond Point La City Ivandry

    Misosa ny fifamoivoizana eo anolon’ny Rond Point La City Ivandry amin’izao.
    Vita soa aman-tsara ny asa fanarenana natao tamin’izany.


    Ny ministeran’ny Asa Vaventy sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy no nanatanteraka ny asa .  » Nampitaraina ny mpampiasa lalana maro io ampahany io taloha satria rehefa tonga eo dia voatery mandeha mora ny fiara. Amin’izao izy efa afaka misosa tsara », hoy ny fanazavan’ny ministra Richard RAFIDISON – Minisitry ny Asa Vaventy momba izany.
    Tsy mijanona eo ny asa fanarenana ny lalana eto Antananarivo. Efa miomana manamboatra ny etsy anoloan’ny Avenue de l’independance Analakely ny Colas amin’izao. Efa mijanona eny Ambohijatovo ambany eny ireo fiarabe hanao ny asa.

  • Ho hatevenina ny fidinan’ireo lehiben’ny zandary hatrany ambanivohitra

    Mametraka hatrany ho laharam-pahamehana amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana manerana an’i Madagasikara ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

    Na dia efa hita soritra aza ny ezaka dia tsy mikely soroka ireo lehibe isan’ambaratongany ao amin’ny zandarimaria, ka mijery akaiky izay paik’ady entina mamongotra izany.

    Noho izany indrindra ny anton’ny fivoriana izay nataon’ireo mpitantana andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimaria etsy Betongolo mandritra ny 2 andro.
    Laharam-pahamehana ao anatin’izany ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny any ambanivohitra.
    Hita sy tsapa fa mbola betsaka sy maro ny ezaka tokony atao.

    Ho hatevenina ny fidinana Ifotony, indrindra ny any ambanivohitra hoan’ireo lehibe isan-tsokajiny. Izany dia ho fanakaikezana ny vahoaka sy fametrahana ny fandriam-pahalemana.
    Ny mita be tokoa tsy lanin’ny lamba, ka na dia efa hita eny anivon’ny fiaraha-monina eny aza ny firaisan-kina ireo hery fiarovana, dia ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila, dia ho hamafisina hatrany izany fiaraha-miasa izany.

    Izany rehetra izany dia manaporofo hatrany fa ny zandarimaria dia  » Miaro ho Antoky ny Fampandrosoana Ifotony ».

  • Andry Rajoelina : Zava – dehibe ny fitandroana ny « Stabilité »

    Noho izao taona vaovao izao dia tonga niarahaba sy nirary soa ny Filoha mivady teny Iavoloha ry zareo avy ao amin’ny HCC, ireo governora, ireo avy amin’ny “communautee royale”,
    ireo mpanakanto sy ry zareo avy amin’ny Samaritan Purse.

    Nisongadina nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Filoha nandritra ny fihaonany tamin’ireo governora, sy tamin’ny HCC, ary ireo raiamandreny ara-drazana ny maha zava-dehibe
    ny fitiava-tanindrazana. Notsindrian’ny Filoha fa isan’ny zava-dehibe amin’izany fitiava-tanindrazana izany ny fitandroana ny stabilite. Satria ao anatin’ny stabilite
    no ahafahana mifantoka manontolo amin’ny asa fampandrosoana.

    Efa mazava ny lalan-tsaina itondrana an’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana, ary efa mipetraka ihany koa ireo drafitrasa rehetra hoy ny Filoha.
    Na dia mbola misedra olana aza ny firenena hoy izy, dia efa misy vahaolana no an’ireo olana rehetra, ary efa mandeha ny famahana izany.
    Notsiphiny araka izany ny maha zava-dehibe ny “alternance democratique”, anamafisana izany stabilite izany.

    “Raha tiana i Madagascar ho avy ny fifidianana amin’ny 2028, ho an’ny mpanohatra izany, izao dia efa mikarakara izany,
    amin’ny alternance demokratika fa tsy amin’ny zavatra hafa”, io no isan’ny nambaran’ny Filoha tamin’ny fihaonany tamin’ireo governora.
    Notsiahiviny ihany koa ireo asa miandry sy fanamby rehetra ho amin’ity taona vaovao ity, sy ny andraikitr’ireo governora,
    mba hiasa ho an’ny soa iombonana, ary mba isongadina amin’ny fampandrosoana ny faritra iandraiketany avy fa tsy ho amin’ny zavatra ratsy sanatria.

  • Nanamafy ny fahatokisany ny Foloalindahy ny filoha Andry Rajoelina

    Nanamafy ny fahatokisany ny Foloalindahy ny Filoha Andry Rajoelina, ary nanao antso avo amin’ny hitandroana hatrany ny firaisankina eo anivon’izy ireo, na amin’ireo manam-boninahitra izany, na ireo manam-boninahitra lefitra, na ireo miaramila an-daharana. “Ho lavitry ny ankaso anie ianareo, ary tsy ho voatariky ny fifampizarazarana, satria mazava ny vina sy ny tanjona ho tratrarintsika amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy ny hafatry ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fanamarihana ny andron’ny manamboninahitra teny Iavoloha ny 12 janoary 2025.
    Nomarihiny ihany koa ny fahatokisany ny fanajan’izy ireo ny rafi-pibaikoana na “hierarchie”, sy ny fitsipi-pifehezana.
    Hafatra mafonja mikasika ny fitandroana ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana eo anivon’ny Foloalindahy, indrindra amin’izao vanim-potoana izay nahenoana fikasan’ny antoko politika mpanohitra sasany hanonzongozona ny fitondrana , ity nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina ity. Matetika tokoa mantsy dia fomba fiady fanaon’ireo izay manam-pikasana hanozongozona fitondrana ny fampizarazarana ny Foloalindahy.

    “Mahatoky tanteraka anareo ny tenako. Ary indrindra indrindra mba iredona ao am-ponareo, tsy ho afaka ao an-tsainareo ilay teny filamatra manao hoe ho an’ny Tanindrazana. Izany no miredona isan’andro ao am-pontsika, ao am-poko, ao am-ponareo, ary izany koa no anatanterahantsika ireo asa izay miandry antsika anarina ity Madagasikara malalantsika ity. Koa tandrovy toy ny anaka andria-maso ny maha zava-dehibe ny mampitambatra fa tsy manavaka, ny mifanampy fa tsy mifamingana, ary indrindra ny mampiray fa tsy mizarazara. Ny miray fo sy tsy mifamadika”, hoy hatrany ny Filohampirenena.
    Nanamafy ny fahatokisany ny Foloalindahy ny filoha Rajoelina, ary nanao antso avo amin’ny fitandroana hatrany ny firaisankina eo anivon’izy ireo, na amin’ireo manam-boninahitra izany, na ireo manam-boninahitra lefitra, na ireo miaramila an-daharana. “Ho lavitry ny ankaso anie ianareo, ary tsy ho voatariky ny fifampizarazarana, satria mazava ny vina sy ny tanjona ho tratrarintsika @ fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy izy araka izany. Nomarihiny ihany koa ny fahatokisany ny fanajan’izy ireo ny rafi-pibaikoana na “hierarchie”, sy ny fitsipi-pifehezana.

    Hafatra mafonja ny fitandroana ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana eo anivon’ny Foloalindahy, indrindra amin’izao vanim-potoana izay fikasan’ny antoko politika mpanohitra sasany hanonzongozona ny fitondrana izao. Matetika tokoa mantsy dia fomba fiady fanaon’ireo izay manam-pikasana hanozongozona fitondrana ny fampizarazarana ny Foloalindahy.

    “Mahatoky tanteraka anareo ny tenako. Ary indrindra indrindra mba iredona ao am-ponareo, tsy ho afaka ao an-tsainareo ilay teny filamatra manao hoe ho an’ny Tanindrazana. Izany no miredona isan’andro ao am-pontsika, ao am-poko, ao am-ponareo, ary izany koa no anatanterahantsika ireo asa izay miandry antsika anarina ity Madagasikara malalantsika ity. Koa tandrovy toy ny anaka andria-maso ny maha zava-dehibe ny mampitambatra fa tsy manavaka, ny mifanampy fa tsy mifamingana, ary indrindra ny mampiray fa tsy mizarazara. Ny miray fo sy tsy mifamadika”, hoy hatrany ny Filohampirenena.

    Ankoatra ireo manam-boninahitra izay miasa eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika dia nanotrona ity lanona teny Iavoloha ity ihany koa ny jeneraly Sahivelo Monja Delphin, minisitry ny Foloalindahy, ny controleur general de police Rakotoharimanana Herilala, minisitry ny Filaminam-bahoaka, sy ny jeneraly Rakotondrazaka Andriantsarafara, ministre délégué misahana ny zandarimariam-pirenena.

    Nandritra ity fankalazana ny andron’ny manam-boninahitra tao Iavoloha ity dia notsiahivin’ny Filoham-pirenena ny maha zava-dehibe ny anjara asan’ny Foloalindahy eo anivon’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fanany. Notsiahivin’ny Filoha Rajoelina Andry ihany koa fa “manana anjara toerana lehibe amin ny fametrahana ny fiandrianam-pirenena ny filaminana, sy ny fitoniana ary ny fiarovana ireo Andripanjakana repoblikana ny mpitandro filaminana , ary ao anatin’ny fitiava-tanindrazana no hanatanterahana izany. »

  • NISY NAMAKY NY FASAN’NY ANDRIAMBE RAZAKARATRIMO ( RAY NITERAKA NY MPANJAKA RANAVALONA II )

    Fantatra ankehitriny fa nisy namaky ny fasana nanafenana ny Andriambe RAZAKARATRIMO ( Ray niteraka ny Mpanjaka vavy RANAVALONA faha-II ). Io toerana misy ny fasana io moa dia tsy aiza fa etsy Ambohitrantenaina – Ambohitrambo – Arivonimamo ( Faritra ITASY ).

    Raha ny fanazavana dia :  » tsy nokitihan’izy ireo ny taolambalo fa hita kosa fa nikaroka zavatra hafa tao ireo olon-dratsy ».
    Eo anatrehan’izany indrindra dia misy ny antso avy amin’ny fianakaviana fa :  » raha mety misy zavatra sarobidy misy mivarombarotra any, dia manao antso izahay ny mba ampandrenesana haingana ny mpitandro filaminana satria dia vakoka iaraha-manana ireny! « .

    Raha ny fanazavana hatrany dia ny alin’ny alarobia faha 20 Novambra 2024 no tsikaritra nisian’ilay vaky fasana. Fasana lehibe miisa telo no lasibatra tamin’izany ka isan’izany ity fasana nanafenana ny Andriambe #RAZAKARATRIMO ity.

    Ny fianakavian’ny Andriambe moa dia tsy mahafantatra izay vakoka sarobidy mety lasan’ireo jiolahy :  » Tsy fantatray fianakaviana avy izay zavatra nalain’ireo olondratsy tao satria na izahay aza dia tsy mikaroka na mijery izay zavatra nentiny Andriambe nilevina rehetra tao » , hoy ny fanazavana.

  • ATR 72-500 niainga tany Antsiranana : Tonga teo Ivato tamin’ny 5 ora sy 55 mn hariva

    Manoloana ny famoahan’i Fleury Rakotomalala tao anaty pejy fesibokiny fa :  » en panne eto Diego ity avion Tsaradia vaovao be ity…. » androany 03 janoary 2025, nanodidina tamin’ny 3 ora sy 30 mn tolakandro ( 15 ora 30 mn) dia tsy mitombona io « publication » fa diso tanteraka.

    Fiaramanidina ATR 72-500 an’ny Madagascar Airlines miandry fiaingana hiazo an’Antananarivo eo ambony « tarmac » no nisy naka sary ary nalefan’olona tsy fantatra tany aminy no lazaina fa :  » en panne ».

    Porofon’izany, io tolakandro io, tamin’ny 4 Ora 20 mn no niainga tany Antsiranana ity ATR 72-500 nitondra mpandeha ary nigadona teny amin’ny Seranampiaramanidina Ivato tamin’ny 6 Ora hariva latsaka 5 mn (17 h 55 mn)

  • Taona 2024 : MBOLA MISY NY MINISTRA TSY FANTR’OLONA MIHITSY

    ▶️Hivalona androany ny taona 2024. Rehefa faran’ny taona toa izao dia fomba ny manao tombana. Ny hita aloha hatreto dia misimisy ihany ireo ministra  » tsisy résultat ».
    Na marika famantarana hitan’ny vahoaka ety ivelany na ny marika ahitana izay zava-bitany ao anatin’ny ministerany dia tsy misy azo raisina.
    Raha mitsidika ny pejin’ny ministera misy azy dia mahita taratra an’izany.

    Ny antony hitenenana izany dia samy ministra mitovy – samy ao anaty governemanta iray voatendry tamin’ny volana aogositra 2024 avokoa kanefa misy ny tena hita fa miasa, misy  » resultat  » foana mahakasika ny ministera izay sahaniny.

    ▶️Ny tsikaritra ihany koa dia tena ratsy ny seraseran’ny Ministra sasany.
    Misy minisitra anie ka tsy mahavita mampafantatra ny tenany akory hoe
     » ministra » ka na mandeha eny an-dalana aza tsy fantatra hoe ministra iny olona iny.

    Misy ministra hafa anefa vao miseho dia fantatry ny rehetra ny anarana, ny anaran’ny ministera misy azy , ny asa vitany…

  • An’iza marina ireo volamena 53,7 Kg tratra

    An’iza marina ireo volamena 53,7 Kg tratra ny volana desambra 2024 teo ?

    Raha nanao tamban’ezaka mikasika ny volamena tratehaka ny volana desambra 2024 ny Fadintseranana dia mitotaly 67,5 kg ny volamena tra-tehaky teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.

    Izany hoe ity volana desambra hivalona androany ity izany no volana nahitana trafikam-bolamena betsaka indrindra.

    Fa an’iza marina iny volamena 53,7 Kg tratra ny volana desambra 2024 teo iny ? Iny ihany mantsy no nanaovana serasera goavana ka nahitana ny fidiranan’antsehatry ny Minisitry ny SERASERA nanaovana « communiqué » amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy.

    Mampahatsiahy moa ny fadin-tseranana fa araky ny 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝟑𝟗𝟔 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 « 𝐂𝐨𝐝𝐞 𝐦𝐢𝐧𝐢𝐞𝐫 » dia apetraka eny anivon’ny 𝐁𝐚𝐧𝐤𝐲 𝐅𝐨𝐢𝐛𝐞𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 akaiky indrindra ny volamena tratra mandra-piandry ny fanapaha-kevitry ny Fitsarana.

  • Afera volamena 53 Kg : TSY MBOLA VOASAMBOTRA ILAY CHEF DE SERVICE AO AMIN’NY MAE

    ▶Natao tao anaty valizy diplomatika ny volameba 53,7 Kg saika alefa any Dubai – ny alatsinainy teo.
    Mpiasa teo anivon’ny ministeran’ny RAHARAHAM-BAHINY no niketrika ny fandefasana izany ka nanao taratasy hosoka nanome alalana hampiasa valizy diplomatika.

    ▶Mbola tsy hita izay tany misy an’io lehiben’ny Sampandraharaha iray eo anivon’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny izay nanao sonia ilay taratasy hafahana mamoaka ireo volamena ireo.
    Olona telo voarohirohy tamin’ity raharaha ity kosa no voapaingotra ary ny roa dia mpiasa ao amin’io ministera io. Natolotra teny amin’ny Fitsarana teny amin’ny PAC izy ireo.

  • TSY HANDEFITRA AMIN’IREO MIKASA HANOHITOHINA NY FILAMINANA IREO MPITANDRO NY FILAMINANA

    FANAPARITAHANA VOKAM-PIFIDIANANA DISO: TSY HANDEFITRA AMIN’IREO MIKASA HANOHITOHINA NY FILAMINANA IREO MPITANDRO NY FILAMINANA

    Nanao fanambarana androany alahady 22 desambra 2024 ny vondron’ny mpitandro filaminana : Zandary – Polisy – Miaramila ary nanipika fa tsy handefitra amin’ireo nanaparitaka vaovao diso momba ny voka-pifidianana ary mbola mikasa hanohintohina ny filaminana. Nanamafy izy ireo fa enjehin’ny lalàna velona ny fanelezana vaovao tsy marina amin’ny tambazotra sosialy satria miteraka savorovoro.

    Teo anatrehan’iny tranga fanelezana vaovao tsy marina momba ny  » piratage site CENI » dia efa nisy ny fepetra noraisina. Mbola nampitandrina an’ireo mikasa hanohitohina ny filaminana ireto EmmoNat ireto – ka tsy handefitra amin’izay mihoa-pefy.
    Mbola anatin’ny vanim-potoanan’ny « Post Electoral » isika izao ka tokony hajaina ny filaminana sy ny fanajana lalàna.

  • CENI : LASIBATRY NY FAKE NEWS

    ▶️ Miato vonjimaika ny tranokalan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) noho ny fisian’ireo tsy mataho-tody manandrana  » mi-pirate »  miditra amin’izany tranokala izany ary manova ny vokatra izay taratry ny safidim-bahoaka.  Efa misokatra ny fanadihadihana amin’izao fotoana izao.

    ▶️ Ny CENI dia manameloka tanteraka izao fihetsika entina hamiliviliana ny safidim-bahoaka sy hanakorontanana ny firenena izao. Manainga hatrany ny olompirenena rehetra, tsy ho resin’ny fandrebirebena ary hiandry am-pitoniana ny vokatra ofisialy izay avoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana.

  • Fikambanana Tanora Avaradrano Mandray Andraikitra : Nandray anjara tamin’ny fanarenana ny pavé simba teo Laniera Anosy Avaratra

    Rehefa hitan’ireo mpikambana eo anivon’ny  Fikambanana Tanora Avaradrano Mandray Andraikitra  na TAMA ny fahasimban’ny pavé eo amin’ny lalana pavé mampitohy an’Antsofinondry Anosy Avaratra sy Ivato, dia nisy avy hatrany ny fandraisana anjara nataon’izy ireo. Tonga teny an-toerana izy ireo ary niezana nananao ny fanarenana.

    Naharitra roa andro ny asa notanterahan’izy ireo tamin’izany ary mbola mitohy amin’iny herinandro iny. Tsiahivina moa fa ireo mpikambana niandahy niambavy no niara-nisalahy nanatontosa ity asa tanamaro fanarenana ny pavé niparitaka amin’iny fiviliana eo Antsofinondry mihazo an’i Tsarasaotra iny.

    Be mpampiasa tokoa io lalana io satria dia isan’ny manala fitohanana. Amin’ny maha tanora mandray andraikitra anay, dia ataonay aloha izay vita, hoy Mamy Harinaivo RANDRIAMANANJARA – filohan’ny Fikambanana. Raha maromaro ny fikambanana mandray andraikitra toy izao , dia handroso ihany ity firenena ity.

  • Ny firotsahan’i Tahina Razafinjoelina no nahavoa ny TIM teto Antananarivo

    Ny firotsahan’i Tahina Razafinjoelina no nahavoa ny TIM teto Antananarivo hoy Hery RASOAMAROMAKA – Governora Analamanga

    Ny firotsahan’i Tahina Razafinjoelina no nahavoa ny TIM teto Antananarivo hoy #Hery_RASOAMAROMAKA – Governora Faritra Analamanga sady sekretera nasionalin’ny antoko TGV.
    Nisy fiantraikany betsaka tamin’ny vato azon’ny kandida Tim ireny fifanandrinan’izy ireo ireny.

    Tetsy ankilany, nisy vokany ny firaisankinan’ny olona rehetra manohana ny Filoha Andry Rajoelina ka nahatonga ny vokatra tsara – ho an’ny Kandidà Harilala RAMANANTSOA tohanan’ny IRMAR teto Antananarivo Renivohitra, hoy izy.

    Mikasika ny resabe momba ny  » ordonnance  » indray dia nambaran’i Hery Rasomaromaka fa natao izany mba tsy hahavery zo izay olom-pirenena tokony hifidy. Tsy misy idiran’ny antoko TGV anefa ny fizarana ny ordonnance satria andraikitry ny distrika sy ny fokontany ny nizara izany ary samy nozaraina izany na olompirenena iza izy na iza , na Tim na Tgv na hafa..

  • Andekaleka : FANOKAFANA NY TAOM-PAMBOLEN-KAZO 2025

    ▶Notanterahana tany Andekaleka androany 16 desambra 2024 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024- 2025. Nitarika izany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA notronin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta.
    « Ny ala antoky ny Rano sy ny Angovo ».
    Ino lohahevitra entina hanamarihana ny taom-pambolen-kazo.

    ▶Zava-dehibe ny fambolen-kazo ary aina ho an’ny firenena ny fikojakojana ny tontolo iainana. Manao ho zava-dehibe ny famerenena an’i Madagasikara ho maintso ihany koa ny fitondram-panjakana ka , aorian’ity hetsika fanombohana ity samy hanatanteraka ny fambolen-kazo avokoa ny Ministera sy ny Andrim-panjakana rehetra.