An’iza marina ireo volamena 53,7 Kg tratra ny volana desambra 2024 teo ?
Raha nanao tamban’ezaka mikasika ny volamena tratehaka ny volana desambra 2024 ny Fadintseranana dia mitotaly 67,5 kg ny volamena tra-tehaky teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
Izany hoe ity volana desambra hivalona androany ity izany no volana nahitana trafikam-bolamena betsaka indrindra.
Fa an’iza marina iny volamena 53,7 Kg tratra ny volana desambra 2024 teo iny ? Iny ihany mantsy no nanaovana serasera goavana ka nahitana ny fidiranan’antsehatry ny Minisitry ny SERASERA nanaovana “communiqué” amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy.
Mampahatsiahy moa ny fadin-tseranana fa araky ny 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝟑𝟗𝟔 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 « 𝐂𝐨𝐝𝐞 𝐦𝐢𝐧𝐢𝐞𝐫 » dia apetraka eny anivon’ny 𝐁𝐚𝐧𝐤𝐲 𝐅𝐨𝐢𝐛𝐞𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 akaiky indrindra ny volamena tratra mandra-piandry ny fanapaha-kevitry ny Fitsarana.