Mbola tsy ampy taona avokoa ny ampahatelon’ireo olona tonga manatona ny CSB II Ambalavato, Faritra Vakinankaratra, Distrika Antsirabe I, hisitraka tolotra fanabeazana aizana raha 80 – 100 isan’ndro . «Mpianatry amin’ny lisea sy amin’ny ambaratonga faharoa avokoa ny ankabeazany , misy aza ny renim-pianakaviana mihitsy no miaraka amin’ny zanany, manatona ity tobim-pitsaboana .»
Raha ny ao amin’inty CSB II ity manokana dia 14 taona no zandriny indrindra amin’ireo tovovavy mpampiasa fanabeazana aizana araka ny fanazavan-dRasazy ,nandritra ny fidianana nataon’ireo mpanao gazety teny an-toerana . «Ilaina tokoa ny fampiasana fomba fandrindram-piterahana maoderina, hisorohana ny vohoka aloha loatra». Raha ny fantatra dia maherin’ny 80 isa isan-taona ireo zatovovavy latsaky ny 18 taona tonga miteraka ao amin’ity tobim-pitsaboana ity, na dia eo aza ny fahabetsahan’ny olona mampiasa fomba fanabeazana aizana.
Raha ny lehilahy dia misy iray isan’andro raha vitsy indrindra,tonga maka kapaoty ao amin’ny CSB II Ambalavato , maro kosa ireo misafidy ny tsindrona raha aminy vehivavy ary manaraka azy ny sisika amin’ny sandry (implant) , hoy Rasazy Rahanitranomirana Vatosoa Nomenjanahary tomponandraikitra momba ny fanabeazana aizana ao an-toerana. Raha ny fantatra dia ny , Distrikan’Antsirabe no manana taha ambony indrindra manerana an’i Madagasikara, aminy lehilahy miroso amin’ny fanaovana (vaséctomie ) raha (ligature) kosa ny an’ireo vehivavy ,eny anivon’ny Marie Stopes no alefan’ny avy ao amin’ny tobim-pahasalamana fototra ireo maniry ny hisitraka izany .