Ny firotsahan’i Tahina Razafinjoelina no nahavoa ny TIM teto Antananarivo hoy Hery RASOAMAROMAKA – Governora Analamanga
Ny firotsahan’i Tahina Razafinjoelina no nahavoa ny TIM teto Antananarivo hoy #Hery_RASOAMAROMAKA – Governora Faritra Analamanga sady sekretera nasionalin’ny antoko TGV.
Nisy fiantraikany betsaka tamin’ny vato azon’ny kandida Tim ireny fifanandrinan’izy ireo ireny.
Tetsy ankilany, nisy vokany ny firaisankinan’ny olona rehetra manohana ny Filoha Andry Rajoelina ka nahatonga ny vokatra tsara – ho an’ny Kandidà Harilala RAMANANTSOA tohanan’ny IRMAR teto Antananarivo Renivohitra, hoy izy.
Mikasika ny resabe momba ny ” ordonnance ” indray dia nambaran’i Hery Rasomaromaka fa natao izany mba tsy hahavery zo izay olom-pirenena tokony hifidy. Tsy misy idiran’ny antoko TGV anefa ny fizarana ny ordonnance satria andraikitry ny distrika sy ny fokontany ny nizara izany ary samy nozaraina izany na olompirenena iza izy na iza , na Tim na Tgv na hafa..