Lancement de la campagne de reboisement à ANDEKALEKA – Région ATSINANANA

region

La campagne de reboisement 2024-2025 a été officiellement lancée ce jour à Sahanonoka, dans la commune d’Andekaleka (Région Atsinanana), sous l’égide du Président de la République, Andry Rajoelina, accompagné de la Ministre de l’Environnement et du Développement Durable. Plusieurs hauts responsables, membres du gouvernement, ambassadeurs et partenaires techniques et financiers de Madagascar étaient présents, ainsi que des habitants des communes d’Andekaleka, Lohariandava et Brickaville.

Cette saison de reboisement, placée sous le thème « La forêt : source d’eau et d’énergie », a débuté par la plantation de 80 000 jeunes arbres sur une superficie de 50 hectares. Les espèces choisies incluent des arbres indigènes tels que le Mandrorofi et le Ditimena, ainsi que des espèces à croissance rapide comme l’Eucalyptus et le Bambou. Environ 15 000 habitants et 700 représentants des institutions publiques, ONG et entreprises privées ont participé à cet effort collectif.

Lors de son discours, le Président Rajoelina a souligné : « Ce reboisement est un devoir sacré envers les générations futures. Planter des arbres aujourd’hui, c’est offrir un avenir durable à notre nation. Protéger les forêts, c’est protéger la vie. »

Cette initiative a pour objectif à préserver le bassin hydrographique autour du barrage hydroélectrique de la JIRAMA, qui alimente le Réseau Interconnecté d’Antananarivo. La dégradation des forêts et la sécheresse prolongée ont affecté les précipitations et le débit d’eau nécessaires au fonctionnement de cette infrastructure essentielle.

Selon la légende des anciens habitants d’Andekaleka, le site était autrefois entièrement couvert de forêts lors de la construction du barrage et de la centrale hydroélectrique en 1982.

Il convient de rappeler que la préservation des forêts impacte directement la vie quotidienne des foyers, même dans les zones urbaines. C’est pourquoi Andekaleka a été choisie comme point de départ de cette campagne de reboisement.

« Le choix d’inaugurer cette saison de reboisement dans une commune de la Région Atsinanana est important pour nous tous. Cela nous motive à poursuivre nos efforts de reforestation pour le bien de tous », a déclaré le Gouverneur par intérim de la Région Atsinanana, Andry RAKOTOVAO.
« Nous sommes prêts à apporter notre contribution pour reboiser Madagascar et restaurer ses forêts au bénéfice des générations futures », a-t-il conclu.

LAHATENY NATAON’NY FILOHAM-PIRENENA NANDRITRA ITY

ANDRO FANOKAFANA NY FOTOAM-PAMBOLEN-KAZO TAONA 2024 – 2025

TETO ANDEKALEKA – FARITRA ATSINANANA

Andriamatoa Praiminisitra – Lehiben’ny gouvernement. Ianareo minisitra, vice-présidents Sénat et assemblée nationale, Ianareo parlementaires, gouverneur, maire, ianareo mponina sy vahoaka eto Andekaleka.
Ahoana no tsy ho faly, satria mifankahita amin’izao Andro lehibe ahafahana manatanteraka izao adidy Masina izao. Satria tahaka ny fanao isan-taona dia manao ny fanokafana amin’ny ofisialy ny taom-pambolenkazo.
Nosafidiana manokana i Andekaleka ho toerana hanatanterahana ny fanamarihana amin’ny fomba ofisialy ny taompambolenkazo 2024-2025, izay mitondra lohahevitra lehibe hoe Ny Ala No Loharano sy herinaratra. Satria eto no misy toby lehibe indrindra mpamokatra herinaratra azo avy amin’ny rano eto Madagascar.
Toerana manan-danja sy manana ny tantarany manokana ho an’ny firenentsika i Andekaleka. Ny safidy an’ Andekaleka dia manamarika fa tsy maintsy arovana ny ala, satria loharano manome angovo ho an’ny vahoaka sy ny firenena.
Ho an’ny vahoakan’Andekaleka manokana, ankoatran’izao reboisement izao dia henoko ny fangatahan’andriamatoa député an’i Brickaville mikasika ny lalamby, izay mampiray, ahafahana mamoaka ny vokatra, ahafahana mampiray ny tanana sy communes ary distrika maromaro… Ka mila amboarina.
Io lalamby io efa tamin’ny andron’ny fanjanahantany no nanamboarana azy. Aty nefa mamokatra be isika raha tsy hiteny afatsy ny sakamalao. Nefa rehefa tsy mandeha ny lalamby dia atao varoboba ka betsaka no manararaotra mividy an’izany amin’ny vidiny mora.
Misy orinasa telo mpanao an’io lalamby io. Ny voalohany dia efa noraisiko tamin’ny herinandro teo, orinasa égyptien. Ny faharoa dia orinasa sinoa. Ary nomeko toromarika hoe, ataovy ny études. Ary ho apetraka ny fanamby fa tsy maintsy hohavaozina tanteraka, tsy maintsy mahita partenaires isika, mba ahafahana mamoaka ny vokatra, mitondra ny mpandeha Ary mitondra ny entana. Ary ho ataontsika ny fanamboarana an’io lalamby io, ho an’ny vahoaka aty Atsinanana iray manontolo.
Tsy rariny raha ny solika, ny vy, ny simenitra, ny vary dia mandeha amin’ny Rn2 ankehitriny. Hany ka ny lalana vao amboarina dia simba avokoa. Mila amboarina ny làlana, fa mila amboarina sy havaozina ihany koa ny lalamby. Izay koa no antony hanaovana ny autoroutes, izay efa mandeha ao.

Ny zavatra amboarintsika androany dia ohatran’ny hazo : mamboly hazo androany fa betsaka no maneso anao, hoe io zanakazo na io voa kely ambolen’ialahy io ve dia mba oviana io vao ho lehibe. Rehefa miaraka amin’i président ny zavatra volentsika sy ahorintsika androany, ny olona maneso antsika androany, ireny no ho gaga rapitso. Tsy maintsy ho vita ny lalamby sy autoroute ary tsy maintsy hitombo ny ala eto Andekaleka.
Ny zavatra ataontsika androany, betsaka no tsy mahatakatra. Ny opposants androany raha omena akohovavy sy akoholahy, dia miteny izy hoe aleo hohanina androany izy roa. Fa miaraka amin’i président dia aleo hivady ny akoholahy sy akohovavy, dia mahazo atody be dia be, dia avy eo mahazo akoho be dia be, ary lasa feno akoho be dia be tsika, afaka mihinana akoho mandritran’ny 4 na 5 mois na herintaona. Fa mbola afaka mivarotra ihany koa. Zay no fomba fitantanantsika ny firenena.
Ny tsy manao ihany no mitsikera, ny tsy mahavita no bé fanakihanana. Fa jereo tsara i Andekaleka. Tamin’ny andron’ny Didier Ratsiraka no nanaovana an’io. Groupe roa no natao tao..30Mw x2. Fa tsika izao no nanampy ny troisième groupe tamin’ny 2010 Transition. Ary nanampy quatrième tamin’ny 2022. Tsy hiteny aho fa ianareo no miteny, hoe raha misy Filoham-pirenena nanao teto, dia ankoatran’ny filoha Didier Ratsiraka dia iza.
Tsy vitan’izay, fa nametraka groupe, io Andekaleka io i Didier Ratsiraka. Raha tsisy anio tsika dia sahirana. Fa izaho amin’ny herinandro hametraka vato fototra hanao barrage hydroélectrique Isika 64mw ho atao ao Ranomafana ary ho vita afaka fotoana fohy. Io 64mw io dia hanomboka afaka herinandro. Ary rehefa vita io dia 30% ny filana herinaratra ao Antananarivo dia hovokarin’izany groupe hydroélectrique izany.
Fantatsika rehetra ihany koa fa ny ala no mitahiry sy manome rano, ho an’ny renirano sy farihy ireny. Rehefa manimba ala isika dia tsy manimba tontolo iainana ihany, fa misy fiantraikany ho an’ny vahoaka, na eo amin’ny tsy fahampian’ny rano sy herinaratra fa indrindra fa miteraka vokadratsy be.
Tsika faly manimba sy mikapa. Tsika kapaina vao mainka maniry, hitsahana vao mainka mitsiry, haratsiana vao mainka mamokatra. Reny fanaratsiana ireny dia ohatran’ny zezika afafy, tsy mampihontsina fa Isika tsy maintsy mandroso ary mampandroso.

Tsy afaka hanome herinaratra ampy intsony anefa ny Toby lehibe ohatran’Andekaleka, rehefa tsy ampy ny rano. Ary rehefa mihena ny rano dia misy fiantraikany, ary indrindra rehefa miatrika haintany Isika, lasa miainga ao anaty fahasiranana. Izay miteraka vokadratsy na amin’ny fiainana andavanandro na amin’ny vahoaka sy ny tokantrano maro, fa misy fiantraikany ihany koa amin’ny toekarena.
Koa eto aho dia miantso antsika tsirairay avy, na ianareo olon-tsotra na ianareo fonctionnaire, na ianareo ankizy na ianareo mpianatra, na Isika tompon’andraikitra rehetra na ny antoko pôlitika, tsy any amin’ny tsikera no tokony ho atao fa andao hamboly hazo, hampisehoy ny vahoaka hoe tia ny vahoaka ianareo, hoe tia vahoaka Isika, harovy ny ala ary mambole hazo.
Izao no antso avo ataoko amintsika tsirairay avy. Izao reboisement ataontsika androany izao dia adidy masina ho tanterahintsika ho an’ny taranaka faramandimby. Ny hazo volena androany dia fanomezana ataontsika ho an’ny taranaka faramandimby. Ny fiarovana ny ala dia fiarovana ny aina. Aty fiarovana ny ain’ny firenena.
Apetraka ny fanamby. Ary hifanome tanana isika ary ho tanteraka ny vina, dia ny hoe Madagasikara maintso, maharitra ary mamokatra. Koa mamboly zanakazo Isika androany, izay ho lasa ala ao aoriana ao. Ny voa iray no ho hazo iray. Ary ny hazo mitambatra no ho ala lray. Araka ny tenintsika Malagasy dia hoe izay mitambatra vato, izay misaraka vato.
Noho izany dia mitambatra Isika, tsy azo hozongozonina, tsy azo potehina, ary saropiaro amin’izany Isika, satria mila filaminana mila maritoerana ary zay ihany no fomba iray ahafahantsika mampandroso ny firenena. Toa izay ihany koa ny ezaka ataontsika eto amin’ny firenena. Tsy vita androany io, fa efa mizotra mankany amin’ny fanovana sy fampandrosoana Isika. Na ny any ivelany aza mahatsapa an’izany.
Io moa ny sasany milaza na dia tsy mahafantatra aza. Fa Zaho milaza fa rehefa nifantina ny président mahay mitondra ny African Leadership, any Londres. Filoham-pirenena 3 no nisafidianana tamin’izany. Dia anisan’ny voafidy hosafidian’ny mpifidy manerantany ny président Seychelles, ny président RDC, sy ny Filoham-pirenena izay lazain’ny sasany fa hoe Filohan’ny vahoaka mahantra : tsy ho ataoko mahantra intsony ny vahoaka fa calme ianareo, miasa aho ny amin’izany.
Ny sasany faly rehefa misy zavatra mahavoa ny vahoaka Malagasy. Dia mitehaka ry zareo hoe io fa voa. Zaho malahelo sy mitomany raha misy mahazo ny vahoaka Malagasy. Fa rehefa natao ny safidy tamin’ireo hoe Iza amin’ireo Filoham-pirenena ireo no manana ny haitarika na leadership. Natao ny fifidianana, nifidy daholo ny manerantany, na dia nisy aza no nisompatra dia ny filohampirenena Gasy no voafidy fa mahay mitarika sy manana leadership aty Afrique.
Na iza na iza misompatra, dia tsisy ahasompatra antsika. Fa miteny anareo hoe : gaga ry zareo tany Londres hoe : « Il y a quelque chose de bizarre. Il y a des Malgaches qui votent pour vos concurrents ». Fa na dia nifidy tany aza izy, andriamanitra mahita sy mahafantatra, ny olona aty Afrique mahafantatra fa ny président Andry Rajoelina no voafidy sy mahay mitarika aty amin’ny continent africain.
Mbola fitahian’Andriamanitra ihany. Mandalo indray ny cyclone. Nivavaka isika. Mba tsy hisy fiantraikany sy vokadratsy ho an’i Madagasikara Izany cyclone zany. Chido dia hoe efa andalo any Antsiranana sy Nosy-Be Ary handravarava, fa nivavaka isika. Noho ny vavaka dia nikisaka ny cyclone ary ny mampalahelo dia i Mayotte no simba.
Ny hazo volena androany dia handrakotra ala an’ito Andekaleka ito. Mba ahafahantsika manome rano, mitahiry rano ary hanome hazavana ho an’iny vahoaka Malagasy iray manontolo.
Minoa ianareo ahy. Fa raha ny projet ataontsika, fa afaka fotoana vitsy dia tsy maintsy Mandroso Madagascar ary hihatsara ny faripiainan’i Madagascar isaky ny tokantrano, zany no vavaka ataontsika..