Toliara – Biodiversité: Hampiantrano ny Symposium voalohany

Toliara no hampiantrano ny Symposium voalohany momba ny zavamananaina an-dranomasina eto Madagasikara ,ny faha 2 sy 3 volana desambra ho avy izao.

Symposium voalohany momba ny biodiversité an-dranomasina eto Madagasikara: Hetsika manan-danja amin’ny fametrahana modely fitantanana mahomby amin’ny sehatry ny tontolo iainana an-dranomasina (AMP sy LMMA)

Hampivondrona ireo mpilalao fototra amin’ny fikajiana ny ranomasina Ity hetsika nasionaly ity toa ny fampandrosoana maharitra ary ny fitantanana ny faritra arovana an-dranomasina (MPA) sy ny faritra an-dranomasina (LMMA).
Ahitana manampahaizana ara-tsiansa, mpanao politika, mpitantana ny faritra arovana ary fikambanana eo an-toerana no mpandray anjara amin’izany. Karakarain’ny Ivon-toerana momba ny jono sy ny siansa an-dranomasina ao amin’ny oniversiten’i Toliara, miaraka amin’ny tohana ara-bola avy amin’ny Fondation for the Protected Areas and Biodiversity of Madagascar (FAPBM) sy ny fiaraha-miasan’ny Western Indian Ocean Marine Science Association (WIOMSA).Izay hatao ao amin’ny Vahiné Eco-Resort Andranomena, Toliara.

Tanjony ny hanao sori-dalana amin’ny fitantanana mahomby sy maharitra ny zavamananaina an-dranomasina eto amin’ny Nosy.

Mikendry ny hanairana ny sain’ny mpandray anjara rehetra momba ireo olana lehibe mifandraika amin’ny fiarovana ny zavamananaina an-dranomasina , izay ahitana karazana trondro maherin’ny 5.000, karazana haran-dranomasina 300 ary karazana biby mampinono an-dranomasina 100. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiahiana ara-tontolo iainana sy ara-toekarena eto Madagasikara ireo zavaboahary miavaka ireo, dia miatrika fanamby lehibe ny fiarovana azy ireo: ny fahapotehan’ny tontolo iainana manan-danja toy ny haran-dranomasina sy ny honko, ny loto, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ary ny fitrandrahana tsy maharitra ny harena an-kibon’ny tany.