«Hanazava ny zavakanton’ny slam-poésie ny hafatra mahery vaika ao aminy ,ka manamafy ny fifandraisana ara-kolontsaina sy mampiroborobo ny fampisehoana ara-javakanto. »ny fitomboan’ny vondrom-piarahamonina Slam eto Madagasikara.
Mankalaza amin’ny fisiany ny fiaraha-monina Malagasy Slam-poésie ny governemanta amerikianina .
Sham Poetic ,hetsika andiany faha-15 amin’ny fetiben’ny Poetry Slam Iraisam-pirenena Madagascar, izay hatao ny 28 Novambra ka hatramin’ny 7 Desambra Hoavy izao . Ho tonga hanatrika izany i Marc Smith izay antsoina hoe ray mpanorina ny Slam,mandritra izany dia ,hitsidika sekoly, hanao fampisehoana miaraka amin’ny mpanakanto malagasy, ary hitarika atrikasa ho an’ny mpianatry ny lisea sy ny oniversite eto Antananarivo izy.
Naneho hevitra momba ny fitsidihan’ny zavakanto i Alex Burns, mpanolotsaina mpanampy amin’ny fifandraisana sy ny raharaha ara-kolontsaina.