Tao anatin’ny famelabelaran-kevitra natao dia nisongadina loatra ,ny antontan’isa farany nivoaka, nandritra ny fihaonan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika,ny volana ôktôbra lasa teo.
0,4% amin’ny 9.407 isa no fantatra fa mitondra ny otrikaretina VIH, hita taorian’ny fitiliana ho an’ity taona 2024 ity.
6.705 isa ireo olona nana valim-pitiliana miabo ny taona 2018 , 9.277 kosa ny taona 2021 ; ary 17.073 ny taona 2023.
Nanazava ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, nandritra ny fihaonambe momba ny VIH/ Sida eto amin’ny ranomasimbe Indianina tamin’ny volana ôktôbra Lasa teo ,«fa vokatry ny ezaka manokana nataon’ny Fitondram-panjakana, notadiavana ireo olona ahiana ho mitondra ny tsimokaretina VIH, no nahatonga ny fiakaran’ny antontan’isa.»
Tombanana ho 75 000 ny isan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH eto Madagasikara,raha ny nambaran’ny ONU SIDA ,saingy ny 20 000 amin’ireo ihany no nanao fitiliana sy manaraka fitsaboana.Manao haitaky ny amin’ny tokony hisian’ny mangarahara momba ny antontan’isa mifandraika amin’ny VIH Sida arak’izany ireo fiarahamonim-pirenena mivondrona ao anatin’ny Réseau SDSR Madagascar , «Ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa fanentanana sy fisorohana, ny fahafahana mitrandraka sy mampiasa izany antontan’isa izany, ary ahafahana mandray fanapahan-kevitra voadinika.» hoy i Liliane Rajaobelimahefa filohan’ny tambajotra.
Voaresaka ihany koa, ny amin’ny tokony hamerenana indray ny fanabeazana ara-pananahana feno eny anivon’ny sekoly, izay isan’ny fomba hisorohana ny fifindran’ny otrikaretina VIH, eo amin’ireo tanora Malagasy.
« Isika rehetra miaraka, andao hiady amin’ny VIH/Sida » izay no lohahevitra noraisina tamin’inty taona ity .Miovaova ny lohahevitra dinihina mandritra ny fihaonana tahak’izao , izay efa fanaon’ny Réseau SDSR Madagascar, isaky ny volana novambra , ka isan’izany ny amin’ny tokony hankatoavan’i Madagasikara ny « Protocole de Maputo », izay fifanarahana manana tanjona ny hisitrahan’ny vehivavy ny zony, ary efa nosoniavina ny taona 2004, saingy mbola tsy navadika ho lalàna manan-kery eto amintsika hatramin’izao.
Nanatanteraka atrikasa nandritra ny roa andro, ny 25 sy 26 novambra 2024 lasa teo, ny Réseau SDSR Madagascar, izay tambajotran’ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny zo sy fahasalamana ara-pananahana.