«Hanolotra ny vokatra avo lenta amin’ny maodely vaovao, loko vaovao mifanaraka amin’ny vanim-potoana ireo mpanao asa tanana malagasy.»
Hahitana reo asa tanana malagasy toa ,ny harona vita amin’ny raffia ,fitaovana vita amin’ny hoditra sy ireo zava-manitra, ary ny sary hoso-doko,sy ny landy,ary koa kilalao ny hetsika Bazar de Noël izay karakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG)
Tanjona ny hanomezana hery ireo vehivavy ka hatokana ho an’ny atrikasa fanjairana ireo tombom-barotra rehetra azo mandritra ny hetsika. Hatao ny sabotsy faha 30 ny volana Novambra Hoavy izao, etsy amin’ny Carlton Anosy, manomboka amin’ny 9 ora- 6 ora hariva.