Feno dia feno ny fandaharam-potoana ho an’ny kandida laharana faha- 5 Sitraka Andrianarivao , kandida Ben’ny tanàna eto Sabotsy Namehana, androany sabotsy 23 Novambra 2024. Natomboka tamin’ny fitetezana ireo toerana samihafa : Tsarafara, Andobo, Tsena ny akoho, Tsenaben’ny Tantsaha , Soanedanana…
Nanamafy ity kandidà ity fa « na mbola tsy Ben’ny tanàna aza izy dia efa nanao asa sosialy ho an’ny kaomina , toy ny fanomezana imperméable ho an’ny polisy kaominaly, eo ihany koa ny fanohanana samihafa ho an’ny sehatry ny fanabeazana ato anatin’ny Fokotany maro eto Sabotsy Namehana ». Izany hoe : efa ela no nanomboka nandray anjara tamin’ny asa fampandrosoana ho an’ity kaomina ity ny tenany.
Ny tsapa tamin’ity indray mitoraka ity, dia mitombo hatrany ny olompirenena resy lahatra manara-dia an’ity kandida laharana faha-5 eto Sabotsy Namehana ity. Maresaka ny fampielezan-kevitra nanditra izany satria dia nohazavaina tamin’ny vahoaka fa vonona hitondra ny tena fanovana hampandroso kokoa ny Kaomina Sabotsy Namehana ny tenany.
Nitohy tamin’ny fitetezana tsena izany. Tsena rahateo ny andro ka dia afaka nifampitafa sy nihaona nivantana tamin’ireo tantsaha maro ity kandida ity.
Judith R.