TSY HANDEFITRA AMIN’IREO MIKASA HANOHITOHINA NY FILAMINANA IREO MPITANDRO NY FILAMINANA

FANAPARITAHANA VOKAM-PIFIDIANANA DISO: TSY HANDEFITRA AMIN’IREO MIKASA HANOHITOHINA NY FILAMINANA IREO MPITANDRO NY FILAMINANA

Nanao fanambarana androany alahady 22 desambra 2024 ny vondron’ny mpitandro filaminana : Zandary – Polisy – Miaramila ary nanipika fa tsy handefitra amin’ireo nanaparitaka vaovao diso momba ny voka-pifidianana ary mbola mikasa hanohintohina ny filaminana. Nanamafy izy ireo fa enjehin’ny lalàna velona ny fanelezana vaovao tsy marina amin’ny tambazotra sosialy satria miteraka savorovoro.

Teo anatrehan’iny tranga fanelezana vaovao tsy marina momba ny ” piratage site CENI” dia efa nisy ny fepetra noraisina. Mbola nampitandrina an’ireo mikasa hanohitohina ny filaminana ireto EmmoNat ireto – ka tsy handefitra amin’izay mihoa-pefy.
Mbola anatin’ny vanim-potoanan’ny “Post Electoral” isika izao ka tokony hajaina ny filaminana sy ny fanajana lalàna.