Nitohy teny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka ny tetikasa MIFAMPITSIMBINA

Taorian’ny fihantoana andro vitsy noho ny fifidianana kaominaly sy monisipaly dia nitohy androany, teny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka ny fizarana fanampiana ho an’ireo fianakaviana sahirana amin’ny alalan’ny tetikasa MIFAMPITSIMBINA, izay fizarana vary, menaka misy ronono mamy ihany koa, pâtes alimentaires, siramamy iray kilao isaky ny tokantrano tsirairay avy, sardine, sira, ary biscuits. Ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ramatoa vadiny, Rajoelina Mialy, no nitarika izany fizarana fanampiana izany.

Vola-panjakana madiodio moa no amatsiana ity tetikasa MIFAMPITSIMBINA ity. Izarana tsiky sy anamaivanana ny vesatry ny vidim-piainana ho an’ireo fianakaviana tena sahirana amin’izao an-katoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao moa no tanjon’ny tetikasa Mifampitsinjo.

“Ato amponay mivady ianareo, tianay ianareo, ary ampianay ianareo, eo anilanareo mandrakariva izahay, na amin’ny mora na amin’ny sarotra, na amin-kasarotana, na amin-kafaliana. Eto amin’ity Kianja Maki ity isika androany. Eto no miara-mifaly isika ary indrindra miara-mankalaza sahady ny fetin’ny Krismasy”, hoy indrindra ny filoha Rajoelina tamin’ ny lahateniny.
Raha ny tetsy amin’ny kianja Maki Andohatampenaka dia fianakaviana maro dia maro indray no nisitraka izany androany. Ny vanim-potoanan’ny Noely rahateo no anamarihana manokana ny fitiava-namana, ny fifanampiana, ny fifampitsinjovana, ny fifampitsimbinana.

MANDISO NY FILAZANA HOE FAMPIELEZAN-KEVITRA

Mandiso ireo izay milaza fa natao ho fampilezan-kevitra an-kolaka ho an’ny fididianana kaominaly sy monisipaly fotsiny ity hetsika androany teny amin’ny kianja Maki ity. Ary manaporofo fa asa maharitra ny fiahiana ireo tena marefo. “Vao manomboka ny mandat, fa mandrapahatonga ny faran’ny mandat, tsy maintsy feno tampons iny hoe nahazo fanampiana tany amin’ny président”, hoy ny Filohampirenena sady nampatsiahy ny pejy mahakasika ny sosialim-bahoaka ao anatin’ny kerine-pokontany manara-penitra.

TETIKASA TSIMBINA

“Iny kariny iny, misy ao anatin’iny hoe Sosialim-bahoaka. Sosialim-bahoaka hoentina hanampiana anareo, rehefa misy ny fizarana jiro, rehefa misy ny tosika fameno, sy ny maro isankarazany. Zao noho ny fisian’iny carnet iny, tsy misy intsony zany hoe tsy mahazo izany. Fa manomboka izao, tsisy intsony hoe izay tiana ihany no omena. Fa ianareo akaikin’ny foko. Rehefa misy sosialim-bahoaka tsy maintsy mahazo daholo ianareo rehetra”, io ny toky nomen’ny filoha Rajoelina nandritra ny fandraisam-pitenenany tao amin’ny kianja Maki.

Taoa anatin’izany fanazavana izany no nilazalazan’ny folohan’ny Repoblika ny mahakasika ny tetika TSIMBINA, izay natomboka androany ihany koa ny fizarana azy. “Izy ity tokony hoe mbola vita ny fety vao atao. Fa hoy aho hoe, tsy mila vita ny fety, fa tsy maintsy omena vola ny tokantrano tsirairay avy hanaovana fety, hikarakarana ny fety, hividianana vorona, boissons, sy izay tianareo rehetra”, hoy izy.

Fanohanana ara-bola ireo tokantrano marefo kosa indray ity tetikasa Tsimbina ity. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena izay niadian’ny filoha Rajoelina manokana mba hiahiana ireo tena marefo izy ity. Tanjona ny anampiana azy ireo, ary indrindra anohanana azy ireo mba ampiakatra ny fari-piainany. “Tiako ho fantatrareo ihany, manomboka isika izao. Fa ity tetikasa ity, dia vola natokana manokana izay niadivako teo amin’ny Banque mondiale. Inona hoy izy no mahasoa ny vahoakanao? Dia hoy aho hoe zavatra roa: voalohany dia tsy maintsy hatsaraina ny farimpiainan’ny vahoaka tsirairay avy”, hoy araka izany ny filoha Rajoelina.

Vola 10 millions de dollars na 480 milliards d’ariary no atokana ho an’ity tetikasa ity. Ho zaraina amin’ireo ankohonana sahirana tokony isitraka izany avokoa io vola io, ary tsy hisy amimbirana. Tokantrano miisa 657.000 no isitraka izany, ary ny 200.000 amin’izy ireo dia eto Antananarivo. Amin’ny alalan’ny “mobile money” ny fizarana izany tohana ara-bola izany. “Fitiavana anareo mba ahafahanareo manao fety anaty aravoana sy afaliana izao”, araka ny nambaran’ny Filohampirenena.

“Androany ianareo mahazo tapany voalohany, ahazoanareo manao fety, 100 000 ariary, nareo tsirairay avy androany. Mbola ho avy ny réveillon, hitsena ny taombaovao, Dia amin’ny herinandro, alohan’y faran’ny taona maneno indray ilay téléphone. Rehefa maneno indray iny dia misy 150 000 ariary fanindroany azonareo tsirairay avy”, hoy ny fanavan’ny filoha Rajoelina Andry.

TAMBERINANDRAIKITRA

Notsindrian’ny Filohampirenena fa vao fanombohana izao. Ankoatra ny tohana ara-bola dia eo ihany koa ny tetikasa fanofanana ahafahan’ireo fianakaviana marefo mamorona asa, na ihany koa mahazo asa sy mampiakatra ny fari-piainan’izy ireo. Na izany aza nefa dia rehefa amina vanim-potoana ilaina fifanampiana dia mila mifanampy hoy hatrany ny Filoha.

Nandritra ny lahateniny androany dia nasiany tsindrim-peo ihany koa ny mahakasia ny tamberinandraikitr’ireo tomponandraikitra amin’ny vahoaka. “Izahay reo, tsy eto raha tsy eo ianareo. Satria ianareo no manendry, no nifidy anay, ianareo no matoky anay. Ka ny tomponandraikitra rehetra mila miasa ho an’ny vahoaka, mila manasoa ny vahoaka mila manampy ny vahoakantsika. Izay no mahatonga ahy eto. Rehefa mahazo fahasoavana ianao dia mila mifampizara, mila mifampitsinjo, ary mila mifanampy. Ka zay no mahatonga antsika eto androany, satria tiako ianareo mba hifety, hankalaza ny noely ao anatin’ny hafaliana, mba hividy ny zavatra tianareo ho vidiana, eo anivon’ny tokantranonareo, mba hifety an’izany fetin’ny noely izany”, hoy izy tao anaty kabariny.