SEKOLY SATMA : NOELIN’NY ANKIZY MPIANATRA 2024

▶Tamin’ny alalan’ny seho an-tsehatra maro  : dihy , hira , fitendrena zava -maneno ( flute , piano ) , tsianjery , tantara an-tsehatra no nanehoan’ny mpianatry ny Sekoly Anglikana Trinite Masina Avaratranjoma ny fanamarihana ny NOELIN’NY ANKIZY 2024 – ny zoma 20 Desambra 2024 teo.

Ireo mpianatra isaky ny ambaratonga nisy azy no nandray anjara mivantana tamin’izany. Fotoana iray nampisehoan’ireo mpianatra ny talentany koa izany satria ny sekoly #SATMA moa dia manofana ho olona feno amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-panahy , ara-tsaina , ara- batana…

Nanotrona ity fotoana ity ny fianakaviamben’ny sekoly : ireo ray aman-dreny ara-panahy izay nitarika ny fotoana , natrehan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra , ireo Mpanabe isan’ambaratonga ( ny petite section , ny primaire ary ny secondaire )

Nialoha izany dia nisy ny fotoam-pivavahana lehibe izay notarihan’ny #Vénérable_RAHARIJAONA_David. Nandritra ity fotoana ity koa moa no nanoloran’ny Sekoly  mari-pankasitrahana ho an’ny #Rév_RANDRIAMORA_Eugène mianakavy – izay nahavita be teo anivon’ny sekoly SATMA:  izy ireo  izay voatendry hiasa any amin’ny Distrika hafa.
Amin’ny faha-7 janoary 2025  indray moa no hifampitaona hiatrika ny taom-pianarana vaovao ireto mpianatra ireto.

📎Ny vaovao samihafa dia mitohy ao anaty gazety ledefi.mg