Apmf : Namafisina ny fepetra fiarovana

Taorian’ny tatitry ny filan-kevitry ny Minisitra notontonsaina ny Alarobia lasa teo dia namoaka naoty fanampim-panazavana ny eo anivon’ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale APMF Mahajanga eto Madagasikara .
«Fanamafisana ny lafin’ny fiarovana ny fepetra ara-pasalamana ao anatin’ny fanokafana indray ny zotra an-dranomasina eo amin’ny firenena Kaomoriana manoloana ny valan’aretina Kôlerà na aretina hafa mifindra.»

Tsy maintsy mitondra taratasy fanamarinana ara-pahasalamana, porofon’ny vaksiny miady amin’ity valan’aretina ity ho an’ny sambo mianga rehetra miditra eto amin’ny Nosy izay nosoniavin’ny Kaomandy tompon’ny sambo voamarin’ny Dokotera amin’ny sisin-tanin’ny Fivondronany kaomoro, ary taratasy fanamarinana mahakasika ny famonoana mikraoba ireo entana miditra miaraka amin’ny faktiora manamarina ny servisy raha ny voalaza ao anatiny .

Ankoatra an’izay, alohan’ny haingan’ny sambo any an-toerana dia tsy maintsy manana trano fitokana-monina apetraka mialoha ireo mpandeha, izay hatokana manokana ho an’ny fandraisana ireo olana mety ahiahiana mitondra ny aretina, mba hamerana ny mety hisian’ny areti-mifindra kôlera.

Naoty iraisana niarahana tamin’ny masoivohony ny “Union of the Comores” sy Fanjakana Malagasy ity ,tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka , Ministère Fitanterana sy Famantarana ny toetrandro ary niarahana manatanteraka amin’ny Foiben’ny APMF, izay entina hanamafisana ny fepetra fiarovana amin’ny sisin-dranomasina an’i Madagasikara, ary notsidriana fa lavina ny hidiran’ny Sambo eto amin’ny firenena raha tsy manaraka ireo fepetra fisorohana manan-danja notanisaina etsy ambony ireo.