NOELIN’NY FITIA 2024 EO AMBOHIJATOVO

▶Azon’ny rehetra tsidihana hatramin’ny faha-5 janoary 2025 ny ravaka sy jiro maroloko etsy Ambohijatovo. Ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA moa no tonga nisantatra ny fisokafan’ity toerana mahafinaritra etsy Ambohijatovo ity – ary nandritra izany no nihaonany mivantana tamin’ireo ankizy marobe izay efa tonga teny an-toerana.

▶Misokatra isan-kariva manomboka amin’ny 7 Ora hariva – 10 Ora alina ny toerana eo Ambohijatovo izay misy ireo ranty samihafa maroloko tsy mena mitaha amin’ny ravaka mahafinaritra any ivelany ireny.
Tafiditra indrindra anatin’ny fankalazana ny #NOELIN_NY_FITIA – izay karakarain’ny fitondram-panjakana amin’izao ankatoky ny Krismasy sy ny fitsenana ny Taombaovao 2025 izany rehetra izany.