NISY NAMAKY NY FASAN’NY ANDRIAMBE RAZAKARATRIMO ( RAY NITERAKA NY MPANJAKA RANAVALONA II )

Fantatra ankehitriny fa nisy namaky ny fasana nanafenana ny Andriambe RAZAKARATRIMO ( Ray niteraka ny Mpanjaka vavy RANAVALONA faha-II ). Io toerana misy ny fasana io moa dia tsy aiza fa etsy Ambohitrantenaina – Ambohitrambo – Arivonimamo ( Faritra ITASY ).

Raha ny fanazavana dia : ” tsy nokitihan’izy ireo ny taolambalo fa hita kosa fa nikaroka zavatra hafa tao ireo olon-dratsy”.
Eo anatrehan’izany indrindra dia misy ny antso avy amin’ny fianakaviana fa : ” raha mety misy zavatra sarobidy misy mivarombarotra any, dia manao antso izahay ny mba ampandrenesana haingana ny mpitandro filaminana satria dia vakoka iaraha-manana ireny! “.

Raha ny fanazavana hatrany dia ny alin’ny alarobia faha 20 Novambra 2024 no tsikaritra nisian’ilay vaky fasana. Fasana lehibe miisa telo no lasibatra tamin’izany ka isan’izany ity fasana nanafenana ny Andriambe #RAZAKARATRIMO ity.

Ny fianakavian’ny Andriambe moa dia tsy mahafantatra izay vakoka sarobidy mety lasan’ireo jiolahy : ” Tsy fantatray fianakaviana avy izay zavatra nalain’ireo olondratsy tao satria na izahay aza dia tsy mikaroka na mijery izay zavatra nentiny Andriambe nilevina rehetra tao” , hoy ny fanazavana.