Baolina kitra : HITADY VAHAOLANA HIALANA AMIN’NY FAHARESENA LAVA NY FEDERASIONA

Tsy hipetra-potsiny manoloana ny faharesana lava mahazo ny ekipapirenena BAREA ny eo anivon’ny Federasiona Baolina Kitra na FMF fa vonona hitady vahaolana.
Hatomboka amin’ny fakan-kevitry ny mpisehatra rehetra izany.

Noho izany indrindr dia dinidinika arahana adihevitra sy fanehoan-kevitra hijerena ny vahaolana tokony atao. Ny 19 sy 20 desambra izao etsy amin’ny Salle de conférence de presse – Kianja BAREA Mahamasina no hanatanterahana izany.

Hanasan’ny FMF ireo mpisehatra rehetra toy ny avy amin’ny : solontenan’ny Mpampiofana (Licence A, B, C, D) – solontenan’ny Filohan’ny klioba élites (Pureplay Football League) – solontenann’ny Mpanao gazety ara-panatanjahantena – solontenan’ireo kintan’ny baolina kitra fahiny – solontenan’ireo Mpilalao iraisam-pirenena taloha – solontenan’ireo Mpanazatra teo aloha – solontenan’ireo Filohan’ny seksiona sy ligy – Solontenan’ireo mpanohana (supporters).