Tamin’ny alàlan’ny diabe namakivaky ny tanàna teto Sabotsy Namehana no nanombohan’ny kandidà laharana faha – 5, Sitraka Andrianarivao ny fampielezan-kevitra.
Hita nandritra izany sahady fa marobe ireo resy lahatra nanaraka an’ity kandida laharana faha-5 eto Sabotsy Namehana ity.
Nambarany tamin’ireo vahoaka nifanena sy nifampiresaka taminy fa tena fanovana ilain’ny mponina no ho entiny.
Nanome toky izy fa hijery akaiky ny tena fampandrosoana ho an’ny Kaomina Sabotsy Namehana.
Sitraka Andrianarivao no kandida zandriny indrindra amin’ireo mpilatsaka ho fidiana ho ben’ny tanàna eto Sabotsy Namehana, kanefa dia tena azo lazaina fa manana ny toerany tsara ary manana ny herijiky tokoa ho amin’izany toerana izany.
Judith R.