Nanome fe-potoana hentitra ny Praiministra, amin’ny tsy maintsy hivoahan’ireo fitaovana rehetra ( efa tonga ao Toamasina )- ilaina amin’ny famahana ny olan’ny famatsian-jiro farafahatarany rahampitso Alarobia faha-13 novambra ho avy izao.
Nanomboka omaly tolakandro dia samy nirohotra namoaka ireo fitaovana ireo ny tompon’andraikitra rehetra, ary efa misy ny ampahany tafavoaka; mba ahafahana mametraka eran’ny Nosy ny “Parc solaire” 50 MW. Miasa 24/24 ora isanandro izy ireo amin’izany, araka ny lamina manokana napetraka.