Afera volamena 53 Kg : TSY MBOLA VOASAMBOTRA ILAY CHEF DE SERVICE AO AMIN’NY MAE

▶Natao tao anaty valizy diplomatika ny volameba 53,7 Kg saika alefa any Dubai – ny alatsinainy teo.
Mpiasa teo anivon’ny ministeran’ny RAHARAHAM-BAHINY no niketrika ny fandefasana izany ka nanao taratasy hosoka nanome alalana hampiasa valizy diplomatika.

▶Mbola tsy hita izay tany misy an’io lehiben’ny Sampandraharaha iray eo anivon’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny izay nanao sonia ilay taratasy hafahana mamoaka ireo volamena ireo.
Olona telo voarohirohy tamin’ity raharaha ity kosa no voapaingotra ary ny roa dia mpiasa ao amin’io ministera io. Natolotra teny amin’ny Fitsarana teny amin’ny PAC izy ireo.