BASKET « 3X3 » :NOTOLORAN’NY FILOHAM-PIRENENA VALISOA SY “PRIMES” NY ANKOAY LAHY SY VAVY

Noraisin’ny filoha Andry Rajoelina tetsy amin’ny lapan’ Ambohitsorohitra ny ekipam-pirenena malagasy « Ankoay vavy sy ny Ankoay Lahy » izay nibata ny fandresena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’ny Afrika taranja Basket « FIBA 3×3 AFRICA CUP 2024».

Raha tsiahivina dia tamin’ny isa 22 noho 3 no nandresen’ny ANKOAY lahy ny ekipan’i Rwanda ary ho an’ny ANKOAY vavy kosa dia lavon’izy ireo tamin’ny isa 20 noho 15 ny Egypta. Ireo ny vokatra azon’ny malagasy, nanandratany avo ny voninahim-pirenena. Tao anatin’ny hafaliana araka izany no nandraisan’ny filohan’ny repoblika an’ireto Atleta nibata fandresena ireto sy ny mpanazatra azy ary ny federasion’ny Basket.

Tsy niarahaba fotsiny ny Filoha Rajoelina Andry fa nanolotra valisoa « prime de victoire » ho an’ny mpilalao,mpanazatra, sy ny ekipa teknika rehetra tao ambadik’izao fahombiazana izao. Ho an’ireo mpilalao kosa dia notolorana mari-boninahitra izy ireo satria mendrika ary nomena « avancement spéciale » ireo mpilalao polisy sy zandary (Ankoay).Ka noraisin’ny filoha avy hatrany ny didim-panjakana na ny « décret » hanatanterahana an’ireo. Nilaza izy fa amin’ity herinandro ity ihany dia vitaina ilay fanolorana mari-boninahitra. Halefan’ny filoha hiofana any amin’ny « centre de formation » any ivelany ihany koa ireto mpilalao ireto, ho mariky ny fankasitrahana sy hampiakarana hatrany ny fahaiza-manaon’izy ireo.

MANAMBATRA NY MALAGASY

Tao anatin’ny lahateniny dia nanamafy ny filohan’ny repoblika fa fandresena miezinezina ity azon’ny Ankoay ity. Manambatra ny malagasy iray manontolo izao fandresena azonareo izao hoy izy. Manakoako manerana ny kontinanta Afrikana iray manontolo fa ny ekipa malagasy amin’ny « BASKET 3×3 » na sokajy lahy na vavy dia manana herim-po sy ny finiavana ary fahaiza-manao. Ity fandresena lehibe ity dia tsy fandresena ho an’ireo mpilalao ihany fa fandresena ho an’ny vahoaka malagasy sy ny firenena iray manontolo mihitsy. Miahy sy nitondra avo ny voninahim-pirenena ianareo ary maneho ny firaisam-po ho an’ny malagasy rehetra izay nanohana anareo hatramin’ny farany » : hoy ny Filoha Rajoelina Andry.

FANGATAHANA

Novalian’ny filohan’ny repoblika avy hatrany koa teto ny fangatahana nataon’ny federasiona malagasy misahana ny Basket sy ny ekipam-pirenena Ankoay mba entina hampandrosoana an’ity taranja Basket ity. « Eto aho dia miteny fa ny fitondram-panjakana dia hanohana anareo hatrany. Efa hita taratra ary tsapanareo ny fanohanako ny fanatanjahantena. Jereo ny kianja izay nataontsika. Ao ny « Gymnase » Toamasina izay tena tsara sy tena fierté ho an’ny Malagasy , ary afaka hanaovana fifaninanana iraisam-pirenena. Ho tokonana tsy ho ela koa ny « gymnase » any Mahajanga. Efa ela no tsy nisy an’izany « gymnase » izany teto amin’ny firenena hoy izy. Manamarika izao medaly azonareo izao fa mila tohanana ny mpanao fanatanjahantena ary afaka atao tsara ny mampiroborobo ny Basket eto amintsika satria dia ahitana izany eraky faritra rehetra. Azo atao ny mampiroborobo ny fanatanjahantena sy fananganana kianja , ary efa ao ny fitaovana hanaovana izany na ny kianja « 3X3 » na kianja lehibe. Eo koa ny fanavaozana sy ny fananganana fotodrafitrasa. Hiara-hiasa isika ary efa eo ny minisitra izay efa nomeko toromarika momba izany » : hoy ny filoha Rajoelina Andry,androany.