Minisitra Richard RAFIDISON : ” NY FIARAHA – MIENTANA AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA IHANY NO AHAFAHANA MAMAHA NY OLANA ARA -PIFAMOIVOIZANA ETO TOAMASINA “

Nanambara ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa RAFIDISON Richard Théodore, fa ny fiaraha-mientana sy ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny Fitondram-panjakana ihany no ahafahana mamaha ny olana ara-pifamoivoizana eto Toamasina, nandritra ny fidinany ifotony nijery ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana eo antampon-tananan’i Toamasina.

Taorian’ny fanombohana ny asa teny amin’ny Plaque Relaxe, niarahana tamin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, tokoa mantsy , dia efa manomboka ihany koa ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy ny “4 Chemins Morarano” hatrany amin’ny LMOI, ao Toamasina. Anisan’ireo lalana enina tafiditra ao amin’ny fandaharan’asa hanatsarana ny fotodrafitrasa any an-toerana izy ity.

Efa amperinasa tanteraka ny orinasa Colas ankehitriny, ary tanjona ny hamita ny asa alohan’ny fetin’ny Taom-baovao 2025. Lalana tena nampijaly ny mponina ity, indrindra nandritra ny fotoam-pahavaratra, noho ny fahasimbany izay nahasarotra ny fifamoivoizana sy ny asa aman-draharaha nandritra ny taona maro.

Ny “Fonds Routier” no mamatsy vola an’ity asa ity, izay hanamora ny fiainana andavanandron’ny mponina ny fahavitany. Ny ezaka toy izao dia mandrafitra ny vina lehibe hampivoarana ny fotodrafitrasa manerana an’i Madagasikara.