▶️Hivalona androany ny taona 2024. Rehefa faran’ny taona toa izao dia fomba ny manao tombana. Ny hita aloha hatreto dia misimisy ihany ireo ministra ” tsisy résultat”.
Na marika famantarana hitan’ny vahoaka ety ivelany na ny marika ahitana izay zava-bitany ao anatin’ny ministerany dia tsy misy azo raisina.
Raha mitsidika ny pejin’ny ministera misy azy dia mahita taratra an’izany.
Ny antony hitenenana izany dia samy ministra mitovy – samy ao anaty governemanta iray voatendry tamin’ny volana aogositra 2024 avokoa kanefa misy ny tena hita fa miasa, misy ” resultat ” foana mahakasika ny ministera izay sahaniny.
▶️Ny tsikaritra ihany koa dia tena ratsy ny seraseran’ny Ministra sasany.
Misy minisitra anie ka tsy mahavita mampafantatra ny tenany akory hoe
” ministra” ka na mandeha eny an-dalana aza tsy fantatra hoe ministra iny olona iny.
Misy ministra hafa anefa vao miseho dia fantatry ny rehetra ny anarana, ny anaran’ny ministera misy azy , ny asa vitany…