Namoaka fampahafantarana ny teo anivon’ny Ministeran’ny Asa sy ny Lalana sosialy fa andro tsy fiasàna nefa andraisana karama ny 11 Desambra 2024 – fotoana hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina eto amin’ny tanin’ny repoblikan’ny Madagasikara.
Noho izany , manakery ho an’ny sehatra rehetra ity fanambrana ity na io avy amin’ny tsy miankina na io ho an’ny mpiasa amina orinasa mahaleotena.
Toy ny mahazatra ihany koa dia mikatona ny toeram-pisotroana zava-pisotro misy alikaola amin’ny andron’ny fifidianana.