Notanterahina androany Talata 03 Desambra 2024 tetsy amin’ny CEG Nanisana ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa “Ankizy hihary”, teo ambany fitarihan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy RAJOELINA izay Reny mpiahy na “marraine” ity tetikasa ity.
Ny tetikasa “Ankizy hihary” dia programanasa iray niarahan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fandaharanasa nasionaly Fihariana namolavola. Ity tetikasa ity dia mikendry ny hampiditra ny “initiation à l’entrepreuneuriat” anatin’ny fandaharam-pampianarana ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa (6e hatramin’ny 3e). Manomboka amin’ity taom-pianarana ity dia efa efa tafiditra tanteraka anaty fandaharam-pianaran’ny MEN ny “ankizy hihary” ka CEG 23 izany hoe CEG iray isam-paritra. Afaka telo taona kosa dia CEG 1840 manerana an’i Madagasikara no hampidirana ny “ankizy hihary” ary afaka dimy taona kosa dia vinaina ho ny CEG rehetra manerana ny Nosy no hisitraka ity fandaharam-pianarana ity.
Nohamafisin’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr SAHONDRARIMALALA Marie Michelle tamin’ny lahateniny fa efa misy ireo mpampianatra hisehatra amin’ity fandaharam-pianarana ity. Ary hampiavaka izany ny fampifanarahana ny fampiofanana amin’ny vokatra isam-paritra.
Mifanindran-dalana amin’ity tetikasa ity ihany koa dia misy ny lalampampianarana ho sokafana eny anivon’ny CEG dia ny “parcours développement entrepreuneurial et développement local” izay natokana ho an’ireo Mpianatra tsy afaka fanadinana CEPE.
Tanjon’ny tetikasa ny hamolavola ny Mpianatra dieny any amin’ny CEG hanana toetsaina ho an’ny fandraharahana
Taorian’ny lahateny ifandimbiasana dia nisy ny famelabelarana nataon’ireo ankizy Mpianatry ny CEG Nanisana mikasika ny lohahevitra 3 : Civisme (fahalalampom-pomba sy fahadiovana ahafahana mampirindra ny fiarahamonina), Ikigai (fiainana misy dikany), ary montage de projet. Narahan’ny fitsidihana ireo “ateliers” efa vita izany.
Tsara ny manamarika fa efa dimy taona izao no nisian’ny programa nasionaly Fihariana izay programa novolavolain’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary efa manodidina ny 26 000 izao no nisitraka ny tetikasa ary 41 taona no salantaonan’ireo mpisitraka.
Nanditra ny kabariny kosa, dia nanamafy ramatoa Mialy RAJOELINA fa manampy ny ankizy hiatrika ny ho aviny ity tetikasa ity ary afaka hanampy ny ray aman-dreniny izy rehefa mahazo ny soatoavin’ity tetikasa ity.
« Mifototra amin’ny tanjona efatra lehibe ny « Ankizy Hihary » dia
– ny fampivelarana manokana na développement personnel;
– ny kolontsaina ara-pandraharahana na culture entrepreneuriale;
– ny fitondran-tena mendrika amin’ny fiarahamonina na civisme;
– ny firaisankina amin’ny maha-olom-pirenena na citoyenneté.
Sarobidy loatra ny fananan’ny tanora ireo soatoavina ireo mba ahafahany mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Amin’izao vanim-potoana izao dia maro ireo mpianatra voakasiky ny fitsoahana an-daharana an-tsekoly. Ka anisan’ny antony mahatonga izany ny fahasahiranan’ny fianakaviana.
Raha ny antontan’isa tamin’ny taom-pianarana lasa teo ohatra dia 48% tamin’ireo ankizy mpianatra teny amin’ny sekoly ambaratonga fototra ihany no manohy ety amin’ny sekoly ambaratonga faharoa.
Ka noho izany dia mitondra vahaolana mivaingana ny tetikasa « Ankizy Hihary ».
Manampy mitrandraka ny talenta, manokatra saina mba hananana fahatokisan-tena, ary fanalahidy ahafahana mamiratra sy lasa lavitra eo amin’ny fiainana », hoy Mialy RAJOELINA tamin’ny kabariny