▶Nanainga tao Toamasina omaly 13 Desambra 2024 ary hiverina ao Toamasina indray amin’ny volana febroary 2025 – izany hoe afaka roa volana mahery ilay sambo MERCY SHIPS – izay nanatanteraka asa sosialy teo amin’ny lafin’ny Fitsaboana – fandidiana maimaimpoana – tao Toamasina.
▶Hihazo an’i Afrika Atsimo hanao fikarakarana ara-tekinika no anton’ny nialan’ity sambo Mercy Ships ity. Ny vahoaka maro avy amin’ny lafy valon’ny Nosy moa no nahazo fisitrahana tamin’ny servisy nomen’ny Mercy Ships.