ANDRO MANERATANY HO AN’NY ZAZA TSY TONGA VOLANA :« Manaitra ny be sy ny maro ireo fikambanana misehatra amin’ ny tontolon’ny reny sy ny zaza. »
Ho fankalazana ny andro maneratany ho an’ny zaza tsy tonga volana , dia nisy hetsika izay karakarain’ny fikambanana Suport the premature , natao ny zoma faha 15 volana novambra teo , tetsy Antaninarenina ary mitohy androany ety Anosy . Nisy ny Kongresy siantifika nanamarihana izany ,ka nifampizarana traikefa sy fahalalana ho fanatsarana nmy fahasalaman’ny zaza teraka tsy Tonga volana , manomboka ao ambohoka sy ny fahaterahany ka hatramin’ny fahazazany , eo ihany koa ny fampianarana mahakasika ny fomba fitaiza zaza .
Andian’ny faha -2 amin’ny hetsika natao eto Madagasikara ity , ary mbola ho hisy koa ny andiany hafa .
Tanjona ny hampahafatarana ny be sy ny maro ny fahasarotan’ny fahaterahana tsy Tonga volana sy ny mety ho vokany , manaitra ny amin’ny tokony hatao ho fanatsarana ny fahasalaman’ny zaza teraka tsy tonga volana , hampidinana ny taham-pahafatesan’ireo zaza menavava noho ny fahaterahana tsy tonga volana no isan’ny antom-pisian’ny fikambanana SUPORT THÉ PREMATURE tarihan’ny Dr Ranosiarisoa zolinantenaina Pediatre , Filoha mpanorina ny fikambanana . Iarahana misalahy amin’ny ministera ny fahasalamambahoaka sy ny société malgache des pédiatries , ary ny ordre national des médecins sy ireo mpanohana maro hafa ny fanatontosana ny hetsika