CENI : LASIBATRY NY FAKE NEWS

▶️ Miato vonjimaika ny tranokalan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) noho ny fisian’ireo tsy mataho-tody manandrana ” mi-pirate”  miditra amin’izany tranokala izany ary manova ny vokatra izay taratry ny safidim-bahoaka.  Efa misokatra ny fanadihadihana amin’izao fotoana izao.

▶️ Ny CENI dia manameloka tanteraka izao fihetsika entina hamiliviliana ny safidim-bahoaka sy hanakorontanana ny firenena izao. Manainga hatrany ny olompirenena rehetra, tsy ho resin’ny fandrebirebena ary hiandry am-pitoniana ny vokatra ofisialy izay avoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana.