Manoloana ny famoahan’i Fleury Rakotomalala tao anaty pejy fesibokiny fa : ” en panne eto Diego ity avion Tsaradia vaovao be ity….” androany 03 janoary 2025, nanodidina tamin’ny 3 ora sy 30 mn tolakandro ( 15 ora 30 mn) dia tsy mitombona io “publication” fa diso tanteraka.
Fiaramanidina ATR 72-500 an’ny Madagascar Airlines miandry fiaingana hiazo an’Antananarivo eo ambony “tarmac” no nisy naka sary ary nalefan’olona tsy fantatra tany aminy no lazaina fa : ” en panne”.
Porofon’izany, io tolakandro io, tamin’ny 4 Ora 20 mn no niainga tany Antsiranana ity ATR 72-500 nitondra mpandeha ary nigadona teny amin’ny Seranampiaramanidina Ivato tamin’ny 6 Ora hariva latsaka 5 mn (17 h 55 mn)