MANOHANA SY MAMPANDANY NY KANDIDA RAMANANTSOA HARILALA NY ANTOKO AVi

Harilala Ramanatsoa

Ny maraina teo dia nanao fanambarana ofisialy amin’ny fanohanany ny kandida ho ben’ny tanana eto Antananarivo renivohitra, Ramanantsoa Harilala, ny antoko Asa Vita no Ifampitsarana na AVI. Tao amin’ny foibe toeran’ity antoko ity, tao Antsahavola, no nanaovany izany fanambarana izany. Vory lanona tao avokoa ireo mpikambana mandrafitra ny antoko eto Antananarivo sy ny manodidina, fa indrindra ireo mpikambana anaty birao politika. Isan’izany ny solomboavam-bahoaka Andriamiharivolameba Liva Zavamanitra, voafidy tao Fandriana, izay sekretera jeneralin’ny antoko.

Nanamarika ity fanambarana nataon’ny AVI ity ny fijoroan’ny filoha mpanorina ny antoko, Ratsirahonana Norbert Lala, izay efa amam-bolana no tsy hita loatra teo amin’ny tontolo politika, sy tsy naneho hevitra politika. Midika izany fa manohana manontolo ny kandida Ramanantsoa Harilala ny antoko. Ary ny filoha mpanorina ny AVI mihintsy no nanao izany fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fanohana ity kandida ho ben’ny tanana izay atolotry ny vovona Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina na IRMAR, ity.

Namafisin’ireo mpitarika ny AVI ihany koa fa mpikambana feno anatin’ny vovonana IRMAR ity antoko ity. Ankoatra ny maha mpikambana ao amin’ny IRMAR azy dia notsindrian’i Ratsirahonana Norbert Lala fa “misy fifandraisam-po eo amin’ny antoko AVI sy i ramatoa Ramanantsoa Harilala”. Notsiahivin’ity filoha mpanorina ny AVI ity fa efa ela izy sy antoko tarihiny no niara-dalana amin’ny filoha Rajoelina Andry. “Efa hatramin’ny taona 2006 no efa nifandray izaho sy ny filoha Rajoelina, raha nilatsaka ben’ny tanana izy tamin’ny fotoan’androny. Niaraka teny foana na tamin’ny sarotra, na tamin’ny mora”, hoy izy.

Nomarihin’i Ratsirahonana Norbert Lala fa tsy amin’ny maha kandida an’ny IRMAR fotsiny fa faharesen-dahatra no anohanan’ny AVI ny kandida Ramanantsoa Harilala. Faharesen-dahatra taorian’ny fifampiresahan’izy roa tonta raha ny nambaran’ny filoha mpanorina ny AVI. Mifanojo tokoa amin’ny soatoavina ijoroan’ny AVI hoy izy ny fotokevitr’i Ramanantsoa Harilala. Isan’izany ny fanjakana tan-dalana, ny fanjakana tsara tantana, ary ny demokrasia. Ity demokrasia ity dia tsy mahakasika ny fifandraisan’ny hery politika ihany, fa indrindra amin’ny fifampihaianoana rehefa handray fanampahan-kevitra.

Araka ny nambaran’ny filoha mpanorina ny AVI dia tombony ho an’ny kandida Ramanantsoa Harilala ny maha vehivavy azy. Satria ny vehivavy no tena mahafantatra ny maharary sy ny fahasahiranan’ny ankohonana, ny fianakavianana, araka izany dia mahafantatra ny fahasahiranan’ny tanana izy. “Satria ianao no mahafantatra ny olana, dia mahafantra ny vahaolana ihany koa ianao araka izany”, hoy i Ratsirahonana Norbert Lala.

I Ramanantsoa Harialal rahateo dia efa mpanolontsaina monisipaly nandritra ny efa-taona, ary efa nitantana an’ANtananarivo ihany fon’izy PDS. Araka izany dia izy irery amin’ireo kandida mirotsaka ben’ny tanana eto an-drenivohitra no tena mahafantatra marina sy nihaina ny olana sedrain’ny fitanana ny tanana, ary koa afaka manolotra vahaolana matotra sy azo ampiharina ary miantraika mivantana amin’ny fanatsarana ny fiain’ny mponina, sy ny fampivoharana ny tanana.

Porofon’izany nandritra ny herinandro vitsy naha PDS azy dia niazakazaka ny fanamboaran-dalana. Sahy nandray fanampahan-kevitra izy andaminana ny tsena sy andrindrana ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Toarian’ny fanambarana nataon’ny antoko AVI dia naneho ny fisaorany ny antoko AVI ny kandida Ramanantsoa Harilala noho izao fanohanany azy amin’ny fifidianana ho ben’ny tanana an’Antananarivo izao.

“Manomena toky aho fa ho ben’ny tanana mendrika ny fahatokisanareo, ary hanao ny aiko tsy ho zavatra, hitondra fampandrosoana marina ho an’ny mponin’Antananarivo, ho an’ny tanan’Antananarivo. Ny firotsahiko ben’ny tanana dia tsy ho tombotsoa ho ahy manokana, fa ho an’ny mponin’Antananarivo, ho an’ny zanak’Antananarivo, ho an’ireo rehetra mivezivezy eto Antananarivo”, hoy ny kandida Harilala Ramanantsoa, namarana ny fandraisam-pitenenany.