Déviation Pont Ifasy AMBILOBE : AMPERIN’ASA TANTERAKA NY ORINASA COLAS

pont ifasy

Déviation Pont Ifasy AMBILOBE : AMPERIN’ASA TANTERAKA NY ORINASA COLAS MANARINA NY FAHASIMBANA VOKATRY NY ROTSAK’ORANA BETSAKA

Androany alatsinainy 02 Desambra 2024, dia efa amperin’asa tanteraka manao ny asa fanarenana eo amin’ny « déviation Pont Ifasy Ambilobe » – Rn6 – kaomina Beramanja Distrika Ambilobe –  ny Orinasa Colas. Efa tazana eo ny milina lehibe manatanteraka izany. Vitaina androany ihany fanarenana rehetra, mba hahafahan’ny fiara mifamezivezy sy hahafahan’ny olona mandeha ankalalahana eo amin’io toerana io, araky ny toromariky ny Minisitry ny Asa Vaventy Richard RAFIDISON.

Vao naheno ny fahavoazana, vokatry ny rotsak’orana be iny ny teo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy dia nandray andraikitra avy hatrany.

Raha tsiahivina, omaly alahady , dia mbola voatery miondrana amin’ny lakana na vedety ny mpaneha izay te hitsaka. Androany kosa efa miandry ny fahavitan’ny orinasa Colas sisa dia miverina amin’ny laonina ny fifamoivoizana eo amin’io Déviation Pont Ifasy io.