Sehatry ny fananantany: MPANAO GAZETY 17 NAHAZO FAMPIOFANANA FANAMAFISANA FAHAIZA-MANAO

Notanterahana ny faha 21 sy faha 22 novambra lasa teo tany Antsirabe , faritr’i Vakinankaratra ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety andiany faharoa mikasika ny fifandraisan’ny Fananantany, ny Miralenta ary ny Fiovan’ny toetrandro . Mpanao gazety 17 avy amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra , Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Androy ary Menabe no nisitraka izany fampiofanana nokarakarain’ny sehatra iombonana ho an’ny fananantany na ny SIF, sy ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM izany.

“Ny 80%n’ny olana eny amin’ny fitsaràna dia resaka fananantany avokoa ka zava-dehibe ny fampiofanana ireo mpanao gazety eo amin’io sehatra io noho izy ireo fantsona manabe sy mampita ary mampahafantatra ny vahoaka ny zava-misy sy ny zon’izy ireo . Rehefa ny zavatra no tenenina eny amin’ireo haino, vaky, jery dia misy lanjany lehibe ary misy fiantraikany avy hatrany any amin’ny vahoaka”, hoy ny nambaran-dRakotomalala , talen’ny SIF.
Tetsy an- kilany, nanamafy ary nandrisika ireo mpanao gazety ny filohan’ny OJM , Monica Rasoloarison mba hampitombo hatrany ny fahalalana hahafahana manatanteraka ny vina napetraky ny OJM hoe “mpanao gazety matihanina , miray hina ho amin’ny fampandrosoana”.

“Tombony eo amin’ny fanatanterahana ny asa ny fampiofanana tahaka izao”, hoy kosa ireo mpanao gazety nisitraka izay fampiofanana izay.
Notanterahana taorian’ny fampiofanana ihany koa ny fizaràna ny lokan’ireo nandray anjara tamin’ny fifaninana nokarakarain’ny SIF volana vitsy lasa , teo amin’izay lohahevitra ny fifandraisan’ny Fananantany, ny Miralenta ary ny fiovan’ny toetrandro izay.