Natomboka androany tao amin’ny ANS Ampefiloha ny fizarana ireo fanampiana ao anatin’ny tetikasa MIFAMPITSIMBINA. Natrehan’ny filoha Rajoelina Andry ny fanombohana izany tetikasa izany. Nanotrona azy tamin’izany ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, sy ireo mpikamabana anatin’ny governemanta hafa, ary koa ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Nanatrika izany ihany koa ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an’ny farintanin’Antananarivo.
Natokana ho an’ireo tokantrano marefo manerana an’Antanananarivo renivohitra sy ireo renivohi-parintany dimy hafa dia Mahajanga, Toliara, Fianaratsoa, Antsiranana, ary Toamasina ity tetikasa MIFAMITSIMBINA ity. Ho an’Antananarivo renivohitra izany dia voakasik’ity tetikasa ity avokoa ireo boriboritany 6. Ireo boriboritany I sy IV kosa no nanombohana ny fizarana ireo fanampiana. Tokantrano 7.800 araka izany no nisitraka izany teny amin’ny ANS Ampefiloha.
Mifarana ny alatsinainy izao ny fizarana ho an’ireo fianakaviana sahirana rehetra eto Antananarivo renivohitra, izay tokantrano miisa 18.000. Raha atambatra ireo ankohonana rehefa misitraka ity tetikasa MIFAMPITSIMBINA ity manerana ireo renivohi-paritany 6 dia miisa 50.000. Ho zaraina mialohan’ny faran’ny taona avokoa ny fanampiana amin’ny alalan’ity tetikasa ity araka ny fanazavana.
VARY IRAY GONY MILANJA 50 KILAO ISA-TOKANTRANO
Vola-panjakana madiodio no amatsiana ity tetika MIFAMPTSIMBINA ity hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Firaisankina. Araka izany dia vary @ gony 50kg isaky ny tokantrano tsirairay avy no zaraina. Eo ihany koa ny menaka “huile de soja” iray liatra, misy ronono mamy ihany koa, pâtes alimentaires, siramamy iray kilao isaky ny tokantrano tsirairay avy, sardine, sira, ary biscuits.
“Tsapako ary hitako ny fahasahirana iananareo @ fiainana an-davanandro. Izay ny antony hoe izao fanomezana izao dia mba hanamaivanana ny fahasahiranana isa-tonkatrano satria maro ireo tonkatrano sahirana”, hoy ny filoha Rajoelina Andry nandritra ny fandraisam-pitenenany. “Anaty fankalazana ny Krismasy izay indrindra no nanasako anareo mahatonga antsika vory eto mba ahafahan’ny tokantrano tsirairay avy mankalaza krismasy anaty haravoravoana. Izay indrindra no nametrahana ity tetikasa ity hoe MIFAMPITSIMBINA. Rehefa mizara mantsy ianao dia maneho fitiavana izany. Rehefa manolotra ianao dia mamafy hafaliana sy tsiky eny amin’ny endriky ny tsirairay avy. Rehefa mizara fitivana ihany koa ianao dia mizara hazavana sy hafaliana ao ampon’ny tsirairay avy”, hoy hatrany izy.
Araka izany dia anamaivanana ny fahasahiranan’ireo tena marefo, indrindra amin’ izay an-katoky ny fetin’ny faran’ny taona izao, sy ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra ny tetikasa MIFAMPITSIMBINA. Ireo vehivavy manano-tena, ireo tokantrano tsy misy fidiram-bola manana zaza mihoatra ny telo, ireo manan-janaka tokony hianatra nefa tsy maintsy niala an-daharana noho ny fahasahiranana no misitraka ity tetikasa ity araka ny fanazavan’ny tale jeneraly Rivomanana Ghisbert hatrany.
LAHARAM-PAHAMEHANA NY SOSIALIM-BAHOAKA
Notsindrian’ny filoha Rajoelina Andry fa laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka. Ary izay no anton’ny tetikasa tahaka ny MIFAMPITSIMBINA. Tsy io irery nefa ny tetikasa entina anohanana ireo ankohonana marefo. Porofon’izany ny fisian’ny pejy mitondra ny lohateny hoe Sosialim-bahoaka ao anatin’ny Karine-pokontany ny misy Qr Code. Satria isaky ny mahazo fanampiana ireo fianakaviana sahirana dia asiana fitomboka io pejy io.
Ankoatra ny ny tetikasa MIFAMPITSIMBINA dia ohatra amin’ireo fanampiana ara-tsosialy nomen’ny Filoham-pirenena ny tetikasa TSIMBINA. Raha mahatratra 400.000 ny isan’ny tokantrano eto Antananarivo renivohitra dia ny atsasak’io, izany hoe ny 200.000 dia misitraka ny tetika TSIMBINA avokoa. Omena fanampiana manokana ara-bola sy tosika ara-tsosialy izy ireo. Efa ao ny vola ho amin’ izany hoy ny Filoha ary efa manomboka ny fizarana ireo fanampiana ireo. “Tsy mijanona raha tsy mahazo daholo ny tokantrano tsirairay avy. Mitsinjo anareo aho satria tena tiako amin’ny foko iray manontolo ianareo”, hoy i Rajoelina Andry.
Araka ny nazavain’ny filoha Rajoelina hatrany dia “hitohy ity fizarana ity ka ny androany dia ny boriboritany 1 sy 4 no ahazo. Nosafidiako manokana ianareo satria teati ahy. Tamin’izaho nilatsaka ben’ny tanana dia nahazo 100% tao Ampefiloha ambodirano, tao koa ny Anosimpatrana, ny 3G Hangare, Andohatampenaka, Ankasina, Antetezana afovoany, Ankazotoho, Anosimahavelona. Hanampy anareo manokana, ary tsy anio ihany fa amin’ny volana mifanesy tsy mijanona mbola mitohy hatramin’ny novely sy faran’ny taona”.
HAMPIAKATRA NY FARI-PIAINAN’NY MPONINA
Ankoatra ny fizarana tohana ara-tsosialy nefa dia ezaka imasoan’ny Filoha ihany koa ny fampiakarana ny fari-piainan’ireo tokantrano marefo. Izany dia amin’ny alalan’ny fanomezana fiofoanana ara-kasa sy fitaovana ahafahan’izy ireo mamorona asa ho azy ireo ka mampitombo ny fidiram-bolany. “Hanao fanofanana isika mba ahafahanareo mahaleotena. Omena fitaovana ianareo. Hanampy anareo aho, ary tsy mijanona isika raha tsy resintsika ny fahantrana, raha tsy miova sy mivoatra ny fari-piainan’ny tokantrano rehetra eto Antananarivo”, hoy ny Filoham-pirenena. Tsy hijanona eto Antananarivo ihany nefa izany fa hipaka manerana ny Nosy.