👉 Miisa 172 ny mpandeha tao anatin’ilay Karandale – 106 ny olondehibe ary 66 ny ankizy
👉Miisa 09 no vatana mangatsiaka efa hita, razana miisa 3 mbola karohana
👉Ny Minisiteran’ny Fitanterana sy ny
Famantarana ny Toetr’andro sy ny ATT dia handefa voin-kava mahatratra an’ireo niharamboina sy tra-pahoriana vokatr’izao lozam-pifamoivoizana izao.
⭕Tafakatra 09 ny isan’ireo olona namoy ny ainy, razana miisa 3 mbola karohana vokatry ny lozam-pifamoivoizana noho ny ranotrambo, nifaoka an’ilay fiara taksiborosy karandaly an’ny Trans Mahefa, tao amin’ny “radier” amin’ilay renirano ao avaratry Betroka, lalampirenena faha-13. Ny takarivan’ny 28 novambra 2024 no nisehoan’izany lozam-pifamoivoizana izany. Fiara nitondra mpandeha avy any Amboasary Atsimo hiazo an’Ilakaka ity tra-doza ity.
Ny Minisiteran’ny Fitanterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, amin’ny alalàn’ny Antokon-draharaha momba ny Fitanterana an-tanety (ATT) dia miara-miasa akaiky sy mifandray tsy tapaka amin’ny OMC Betroka momba ny fiatrehana an’ity voina ity.
Raha ny antontan’isa voaray azo avy amin’ny Organe Mixte de Conception Distrikan’i Betroka tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity dia miisa 105 ireo olon-dehibe, miisa 66 kosa ireo ankizy tao anatin’io fiara io, izany hoe : 172 miaraka amin’ny mpamily. Zazalahy 6 taona iray sisa no manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Betroka amin’izao fotoana izao, raha toa ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa ireo naratra. Tsy misy hatahorana ny ain’izy ireo.
Ny mpamilin’ny fiara dia velona soamantsara ary tazomina Garde à vue (Andrimaso) ao amin’ny Commissariat Betroka)
Vao nahazo fampilazana ny Tomponandraikim-panjakana rehetra (Sefo Distrika, Zandary, Polisy, Ratsamangaikan’ny Minisiteran’ny Fitanterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Mpiasan’ny fahasalamana, ny Governoram-paritra Anôsy, Ireo Dépiote avy ao amin’ny Faritra Anôsy…) sy ny fokonolona ao Betroka dia nifanome tanana namonjy ity fiarabe taksiborosy karandaly lasan’ny ranotrambo ity omaly hariva.
Hatramin’izao tapak’andro harivan’ny 29 novambra 2024 izao dia mbola mikaroka ireo razana miisa 3 ny OMC Betroka sy ny fokonolona. Amin’izao fotoana izao dia efa misintona an’ilay fiara karandaly ny Tomponandraikim-panjakana any an-toerana ka ny Engin an’ny Faritra Anôsy no nafarana hisintonana izany.
Ny Governoram-paritra Anôsy no mandray an-tanana ny fikarakarana ireo olona avotra tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity miaraka amin’ny fifanomezan-tanana avy amin’ireo Dépiote avy amin’iny Faritra Anôsy iny.
Ankoatra izay, ny Minisiteran’ny Fitanterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro sy ny ATT dia handefa voin-kava mahatratra an’ireo niharamboina sy tra-pahoriana vokatr’izao lozam-pifamoivoizana izao. Nisy koa ny hetsika voin-kava mahatratra nataon’ireo fikambanan’ny mpitatitra etsy amin’ny Tobim-piantsoanana Fasankarana ary halefa any an-toerana izany.