Aoka tsy hanaiky ho rebireben’ny mpialona sy ireo tsy te handroso isika , hoy ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fitokanana
Arena Sport Toamasina io hariva io.
Mahazaka olona hatramin’ny 6 500 ity fotodrafitrasa ity.
Mila mandroso hatrany isika na mafy aza ny fanaratsiana sy sakantsakana rehefa manao ny asam-pampandrosoana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny kabariny.
« Na nisy aza ny sakantsakana dia tsy maintsy manorina isika, manangana, tsy hanaiky ho rebireben’ny mpialona sy ireo tsy te handroso » hoy izy.
Novaliany koa ireo mpanao politika izay nanenjika tamin’ny fanamboarana ity Gymnase ity. « Volan’ny malagasy no nanaovana an’itony fotodrafitrasa itony. Ny asa ataontsika dia tsy vitan’izay tsy nanao sy izay minia mikipy » hoy hatrany ny Filoha nandritra ny lahateniny.
Notsindrian’ny Filoha ihany koa fa hita ny fiovana ao Toamasina : “Milaza aminareo aho fa miova I Toamasina. Mandroso i Toamasina. Avy tany amin’ny Boulevard Ratsimilaho isika, efa tamin’ny 1986 no simba izany boulevard izany. Betsaka ireo mpitondra nifandimby, fa isika izao miaraka amin’ny vahoakan’i Toamasina no nahavita izany boulevard Ratsimilaho izany. Mendrika toerana tsara ohatran’izany i Toamasina, mandeha mitohy dia eo Miami miaraka amin’ny Jet d’eau mahafinaritra”.
Nandritra ity lanonana ity moa dia nisy ny surprise nentin’ireo mpikarakara , dia ny fampisehoana Kata nentin’ireo mpanao Karate. Nisy koa ny hira sy mozika nentin’ireo artista maro.