Filoha Andry RAJOELINA : «  IZAY LANY EO DIA TOHANANA AVOKOA… »

Filoha Andry RAJOELINA : «  IZAY LANY EO DIA TOHANANA AVOKOA… »

Teny amin’ny Birao fandatsaham-bato teny Ambatobe no nanatontosa ny adidiny tamin’ny fandatsaham-bato androany ny Filoha Andry Rajoelina. Adidin’ny olom-pirenena rehetra ny manefa ny adidiny ary zo omen’ny lalàna izany.

Fifidianana manakaiky vahoaka sy fifidianana fototra ihany koa ny fifidianana Ben’ny Tanàna izay tanterahatsika androany ity, ka ny vato iray manan-danja lehibe ho fototra hanorenana ny fampandrosoana.
Mandala ny tany demokratika isika ary izay no anton’ny fifidianana toy izao. «  Izay lany eo dia ekentsika ary tohanatsika sy ampitsika.

Izay resy kosa dia tokony manaiky am-pitoniana fa tsy anakiana etsy sy eroa. Satria isika anaty rafitra demokratika ary misy ny resy sy ny mpandresy », araka ny fanazavana noentin’ny Filoha Andry Rajoelina.

Mikasika ny « ordonnance » anaovan’ny olona sasany resabe dia nahitsy ny Filoha : Tsy misy olona tokony hoverezin-jo izany. Efa nisy ny dingana nataon’ny CENI – momba izany. Ny namaran’ny Filoham-pirenena ny fanazavany androany, dia hoe : tongava mifidy, efao ny adidinao satria ny fandraisana anjara no zava-dehibe amin’ny raharaham-pirenena. Miantso ny vahoaka rehetra ho tony ihany koa ny Filoha.