Mamy RAHARIMANANA: Naneho hevitra mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna

▶Naneho hevitra mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny faha-11 Desambra 2024 izao ny antoko MAEVA na Madagasikara Endrika Vanona. Adidy amin’ny maha olom-pirenena ny mifidy ka manainga ny rehetra handeha hifidy ny hanefa ny adidiny amin’io andron’ny faha 11 desambra 2024 io.

⭕ « Miantso ny rehetra koa izahay mba samy hiaro ny safidiny. Toy ny mahazatra dia azon’ny rehetra hatao ny manaraka ny voka-pifidianana any anaty trano fandatsaham-bato ny hariva » , hoy Mamy RAHARIMANANA – Filoha mpanorina ny antoko Maeva.

▶Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny CENI. Tsara ny ezaka efa vitan’ny CENI saingy aiza ho aiza kosa ny mikasika ilay Biometrie izay nambara.