Manohana tsy misy fepetra ny kandida Harilala RAMANANTSOA ny antoko HAVANA izay tarihan’ny Dr Jean Louis ROBINSON. Nanao antso avo amin’ny vahoakan’Antananarivo izy ireo mba handatsa-bato ho an’ity kandidà vavy tokana ity. « Manao antso avo amin’ny vahoaka rehetra eto Antananarivo izahay mba handatsa-bato ho an’i Harilala RAMANANTSOA amin’ny faha 11 Desambra 2024 izao .
Fantatray tsara io Kandidà io ary azonay antoka fa hahavita be hitondra fampandrosoana ho an’Antananarivo », hoy RAKOTONANAHARY Jean Didier – Vice Président antoko Avana.
Nisy moa ny fanambarana izay nataon’ny antoko Avana manamafy izay fanohanana ny Kandidà Harilala RAMANANTSOA laharana faha-7 izay.
Masoivohon’i Madagasikara any Chine moa ny filohan’ny antoko AVANA – Jean Louis ROBINSON.
Fantatra fa ho avy eto Madagasikara ny tenany handatsa-bato ho an’ny kandidà Harilala RAMANANTSOA. Mahafeno ny fepetra rehetra i Harilala Ramanantsoa ary olona hita fa mahavita ny andraikitra maha Ben’ny tanàna an’ Antananarivo.
« Miantso an’ireo mpikambana ao anatin’ny antokoa Avana rehetra manerana ny Nosy ihany koa izahay hanohana ny kandida atolotry ny vovonanan IRMAR », hoy hatrany ny fanazavana.