▶Taorian’ny teny amin’ny ANS Ampefiloha, dia nitohy teny amin’ny boriboritany fahadimy indray ny fandaharan’asa Mifampitsimbina ho fanohanana ireo tokantrano marefo amin’izao faran’ny taona izao.
▶ Tokantrano miisa 3600 no nisitraka izany ka teny amin’ny Coliseum Antsonjombe no nanaovana fizarana. Tonga teny ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina niatrika ny fizarana. Amin’izao ankatoky ny fifidianana ben’ny tanàna izao dia niantso ny olom-pirenena rehetra hanefa ny adidiny ihany koa ny Filohan’ny Repoblika ka nanentana azy ireo hifidy ny 11 desambra ho avy izao.