Nitohy tamin’ny Caravane sy fidinana ifotony niteny toerana maromaro teto Sabotsy Namehana ny fampielezan-kevitra notanterahan’ny Kandidà laharana faha-5 eto Sabotsy Namehana – Sitraka Andrianarivao.
Isan’ny noentiny tamin’izany ny fanazavana ireo fanamby miisa 11 izay mifototra amin’ny fanabeazana, asa fambolena sy fiompiana , Fitaterana, Fandriampahalemana , Fahasalamana , Rano fisotro madio , Fanatanjahan-tena , Tanora , Kolotsaina , Fotodrafitrasa , ny Sosialy , ny Fananan-tany ary ny Fahadiovan’ny tanàna.
Fa isan’ny tena iompanan’ny vinan’ity kandidà ity ny fanabeazana satria zava-dehibe aminy ny famolavolana ireo tanora izay ho avin’ ny tanora rahampitso :
« Ny zaza rehetra sy ny tanora eto amin’ny commune tsy ankanavaka dia tokony handia sekoly avokoa . Ampiana tosika ny ray aman-dreny mba ahafan’izy ireo mampiditra mianatra ny zanany
Tohizana ny fizarana sy fivarotana fitaovam-pianarana mora izay efa nahafantarana an’i Sitraka hatrizay . Hatsaraina sy halebiazina ireo sekolom-panjakana rehetra
Ho asina ny “cantine scolaire” isak’ireo Sekolim-panjakana . Hiady ho an’ny zon’ireo Mpampianatra mba ahazo ny tombotsoa mendrika azy izy ireo . Cours gratuit ho an’ireo mpanala fanadinana ofisialy rehetra . Fametrahana bibliothèque sy cyber misy « connexion » maimaim-poana ho an’ireo mpianatra » , ireo no santionany tamin’ny vina izay nampahalalany an’ireo vahoaka mpihaino azy.
Tsiahivina fa tsy vao izao no nanao asa sosialy Sitraka Andrianarivao fa efa niditra an-tsehatra amin’izany izy nandritra ny taona maro. Ohatra amin’izany ny fanomezana fitaom-pianarana ireo ankizy mpianatra tamin’ny taona 2020 , 2021 ary 2024.