Fikambanana Tanora Avaradrano Mandray Andraikitra : Nandray anjara tamin’ny fanarenana ny pavé simba teo Laniera Anosy Avaratra

tama

Rehefa hitan’ireo mpikambana eo anivon’ny  Fikambanana Tanora Avaradrano Mandray Andraikitra  na TAMA ny fahasimban’ny pavé eo amin’ny lalana pavé mampitohy an’Antsofinondry Anosy Avaratra sy Ivato, dia nisy avy hatrany ny fandraisana anjara nataon’izy ireo. Tonga teny an-toerana izy ireo ary niezana nananao ny fanarenana.

Naharitra roa andro ny asa notanterahan’izy ireo tamin’izany ary mbola mitohy amin’iny herinandro iny. Tsiahivina moa fa ireo mpikambana niandahy niambavy no niara-nisalahy nanatontosa ity asa tanamaro fanarenana ny pavé niparitaka amin’iny fiviliana eo Antsofinondry mihazo an’i Tsarasaotra iny.

Be mpampiasa tokoa io lalana io satria dia isan’ny manala fitohanana. Amin’ny maha tanora mandray andraikitra anay, dia ataonay aloha izay vita, hoy Mamy Harinaivo RANDRIAMANANJARA – filohan’ny Fikambanana. Raha maromaro ny fikambanana mandray andraikitra toy izao , dia handroso ihany ity firenena ity.