Nafana ny fihaonambe faradoboka nataon’ny Kandida Ben’ny Tanàna CUA laharana faha-7 Harilala RAMANANTSOA tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Feno hipoka ny toerana . Mazava ny sary tian’ny vahoaka ampitaina. Vonona hametraka fanantenana amin’i Harilala RAMANANTSOA ny vahoakan’Antananarivo.
“Rakotra fitiavana sy fanantenana ny Coliseum Antsonjombe. Torak’izany koa ny foko ary ny fanohananareo no heriko, ny fahavononanareo no manosika ahy. Hifanasoa isika, hifanome tanana ary tsy hijanona isika raha tsy tratra ny tanjona.
Isika hiaraka hifidy ny fandrosoana amin’ny 11 Desambra” , hoy Harilala RAMANANTSOA -laharana faha -7 .