Mpandeha ampolony no efa hita faty ary mbola mandeha ny fikarohana hatramin’ny alina hatramin’izao.
Izay no vaovao vonjimaika azo tamin’ilay Taksiborosy Trans Mahefa mampitohy an’Amboasary Atsimo sy Ilakaka tradoza teo avaratry ny tanànan’i Betroka, omaly hariva, nanodidina tamin’ny 5 ora sy 30 mn.
Nisy radier na ranotrambo tampoka ka nifaoka an’ity fiara feno mpandeha ity.
Mpandeha manodidina ny 90 no tao anatin’ity taksiborosy Karandalana Trans Mahefa ity. Misy ny mitaiza kely. Hatramin’ny omaly hariva dia mivoatra hatrany ny tarehimarika ka tsy mbola misy ny tarehimarika ofisialy mikasika ny isan’ny namoy ny ainy sy ny naratra hatreto. Nentina notsaboina avy hatrany ao amin’ny hopitalim-panjakana ao Betroka ireo naratra.
Marihana fa tsy vao izao no misy ranotrambo mahatonga loza toy izao eo amin’io toerana io.
Tetsy ankilan’izay , ny depiote Nicolas Randrianasolo – Solombavambahoaka voafidy tao Betroka dia nanambara fa handray an-tanana ny fitsaboana ireo tradoza ireo. Nanao antso koa izy amin’ny tokony hametrahana vedety eo Betroka mba hisorohana ny loza tahaka izao satria efa ho avy ny fotoam-pahavaratra.