Ho averina sompitry Madagasikara indray Ambatondrazaka eo amin’ny sehatry ny famokaram-bary. Antenaina ny hahatongavana amin’izany amin’ny fampiasana ireo teknika moderina sy zezika ary masomboly , hoy ny Governora Faritra Alaotra Mangoro Dr RAMAROSANDRATANA Guy – nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolena 2024-2025 , tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny sabotsy teo.
Tamin’ity fotoana ity dia nisy ny fampisehoana ara-tekinika notarihan’ny Goverinora sy ny talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana famafazana zezika simika sy organika,ary ny ketsa ligne.
Nisy koa ny fizarana zezika sy fitaovam-pambolena ho an’ireo mpisitraka miisa 100 izay avy amin’ny Mpiara miombon’antoka.