Mba hanamafisana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro dia nisy ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ” Fonds Carbone Communautaire Makira” nontontosaina anio faha 13 Desambra , niarahana amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, miaraka amin’ireo mpiara-miombonantoka avy any ivelany sy eto an-toerana.
Izany dia entina hanamafisana ny fiovana ny toetrandro, ny fiarovana ny karazan-javamananaina eny anivon’ny valanjavaboary Makira ary ny fahafana mampisitraka an’ireo mponina eny ifotony amin’ny fiarovana ny ala.