Nisy andiany telo ny fahatongavan’ireo biby arovana nisy nanondrana tany Thaïlande. Ny zoma teo no tafaverina soa aman-tsara ny andiany faha – 3 farany izay nahitana ireo sokatra “Pyxis arachnoides “miisa 757 ambiny sisa tavela tany Thaïlande.
Tafaverina an-tanindrazana avokoa arak’izany ireo biby rehetra nisy nanondrana an-tsokosoko tany Thaïlande ankoatr’ireo izay maty tany an-toerana.
Raha ny fanazavana dia noraisin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny Turtle Survival Alliance an-tanana ny fikarakarana azy ireo.
Any amin’ny toerana manokana any amin’ilay valanjavaboary Eden Botanical Garden any Toliara no andefasana azy ireo.