Harilala Ramanantsoa : « EFA MAZAVA NY FANDRESENA… »

harilala

Raha ny antontan’isa voaray avy eny amin’ireo delege niasa tamin’ireo biraom-pifidianana  samihafa, hoy Harilala Ramanatsoa, dia efa mazava  ny fandresena. Efa nisy moa ny fisaorana nataony ho an’ireo rehetra nanohana azy na alavitra na akaiky. « Misaotra an’Andriamanitra isika fa tontosa soa aman-tsara ny fifidianana omaly. Eto ihany koa ny tenako dia maneho ny fisaorana sy fankasitrahana ho anareo rehetra tonga naneho ny safidinareo teny amin’ny biraom-pifidianana. Tsy adino ireo rehetra nahafoy fotoana sy nanao ny ainy tsy ho zavatra nandritra izay andro maromaro izay. Ao ireo mpanohana rehetra izay nanampy sy nanotrona. Ao ihany ko ireo rehetra niasa teny amin’ireo birao fandantsaham-bato », hoy Harilala RAMANANTSOA.

Efa nanao tohivakana moa ny fiarahabana an’ity ho Ben’ny tanàna vaovao eto Antananarivo Renivohitra ity. Na izany aza dia hita fa manam-pahendrena izy ary tsy nohadinoiny  ny niantso ny rehetra ho tony eo anatrehan’ireo mpamendrofendro : « Raha ny tatitra azontsika avy amin’ireo solontena manerana ireo birao fandatsaham-bato dia efa azontsika ny fandresena, saingy manentana antsika tsirairay avy hiandry am-pitoniana ny vokatra Ofisialy izay havoakan’ny rafitra manana fahefana ny amin’izany. Fantatro fa vahoaka hendry isika ary Antananarivo tsy mila korontana », hoy hatrany Harilala RAMANANTSOA.

Ankoatra an’Antananarivo dia renivohi-paritany maromaro toa an’i Toamasina no nahazoan’ny Vovonana IRMAR fandresena tamin’ity fifidianana Ben’ny tanàna ny 11 desambra 2024 teo ity.