Vita tanteraka ny asa fanarenana ireo simba teo amin’ny fivilian-dalana na ” dΓ©viation pour passage Γ guΓ©” eo Ifasy, PK 537+ 329, sy eo Mahavavy PK 568+720, amin’ny lalam-pirenena fahaenina “RN6”, notanterahin’ny orinasa Colas. Misokatra hoan’ny fiara rehetra, tsy misy fiatona intsony, ny fifamoivoizana eo amin’ireo toerana roa ireo.
Ny Minisiteran’ny Asa Vaventy dia maneho fisaorana antsika mpampiasa lalana rehetra tamin’ny faharetana sy ny fanarahana tsara ny fandaminana nataon’ireo tomponandraikitra teny an-toerana. Mbola manentana hatrany ny rehetra mba hitandrina amin’izao ankatoky ny fotoam-pahavaratra izao.