Tetezana eo Amborondolo Commune Ilanjana : Efa vonona ny famantsiam-bola anaty Fonds Routiers 2025 hanarenana azy io

Ny fanadihadiana natao no nahalalana fa efa vonona ny famatsiam-bola ao anatin’ny Fonds Routiers 2025 entina hanarenana ny tetezana eo Amborondolo Commune Ilanjana – mampitohy ny distrika Manandriana tapany andrefana sy distrika Ambatofinandrahana – izay ao anatin’ny Faritra Amoron’i Mania.

Ny eo anivon’ny ministeran’ny Asa Vaventy ihany koa dia efa miomana sy andalam-panatanterahana ny pitsopitsony mikasika ny fanarenana an’io tetezana io.
Marihana moa fa miantoka ny ain’ny mponina ny lalana ary ny fahasimban’ny lalana na tetezana dia mampikatso ny vokatra sy ny fampandrosoana eny ifotony.