Nampahafantatra ny fisian’ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’ny YAS Madagascar sy ny Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana momba ny mponina (UNFPA), ny roa tonta izay mikendry ny fanatsarana ny toe-pahasalamana eto Madagasikara.
Ity tetikasa ity dia miompana amin’ny famatsiana herinaratra ny tobim-pahasalamana fototra II (CSB II) amin’ny alalan’ny fizarana kojakoja solar 300 Mbalik HOME 200 X PLUS.
«Misy fiantraikany mivantana eny amin’ny CSB II ireny delestazy ireny indrindra raha sendra eo am-piterahana ohatra ny olona iray » , Raha nambaran’i Patrick Pisal-Hamida, tale jeneralin’ny YAS Madagascar.
Nizara fijoroana vavolombelona mampiseho ny maha-zava-dehibe ny zava-misy moa i Ngoy Kishimba, solontena lefitry ny UNFPA eto Madagasikara .Niresaka momba ny zava-nitranga tany avaratry ny Nosy izy nandritra ny vanim-potoanan’ny rivodoza izy, ka voatery nampiasa ny hazavana avy amin’ny findainy ny mpampivelona iray mba hiatrehany ny asany tamin’io.
Ao anatin’izany fiaraha-miasa izany, ny YAS Madagascar , hanome “kits solaire” miisa 300 ho an’ny CSB II nofaritan’ny UNFPA sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Misy jiro tubular efatra ny kitapo tsirairay ,ary koa panneau solaire 15W. Ny volana janoary 2025 no kasaina hozaraina ireo kojakoja, miaraka amin’ny fanohanana ara-teknika amin’ny fametrahana sy fanofanana ireo mpiasan’ny Fahasalamana.